Fanoloana ilay Olona Mpanota Taloha

Derek Prince
Published: 2008
Last Updated: November 2026
Read Time: 2
Ny vahaolana nomen'Andriamanitra ho an'ny ota dia ahitana ny famelan-keloka, ny fahafatesan'ny maha-olona mpanota taloha, ary fiainana vaovao ao amin'ny fahamarinana sy ny fahamasinana. Ny mpino dia tsy maintsy mijoro amin'ny finoana fa efa voavaha teo amin'ny hazo fijaliana ny amin'ilay maha-olona taloha, ary manohitra ny fiezahany hiverina hanjaka indray.
Ny fanomezana fanafahana tanteraka amin’ny fanjakazakan’ny fahotana dia mitaky fandaharana telo heny fanomezan’Andriamanitra. Voalohany indrindra, nifanandrina tamin’ny fahotantsika Izy — ireo ota izay efa nataontsika rehetra. Satria Jesosy nandoa ny sazy feno teo amin’ny hazo fijaliana ho an’ny fahotantsika, afaka mamela antsika Andriamanitra nefa tsy misy fandikana ny Fahamarinany. Noho izany, dia ny famelan-keloka no ,Fanomezany voalohany.
Avy eo, Andriamanitra dia tsy maintsy niatrika ny toetra ratsy tao anatintsika izay nanosika antsika hanohy hanao ireo asa feno fahotana ireo. Ny Fanomezany dia ny famonoana—an'io toetra mpanota io. Ny vaovao tsara dia naka toerana ny famonoana mihoatra ny taon-jato iray ambin’ny roapolo mahery lasa izay, rehefa Jesosy maty teo amin’ny hazo fijaliana.
Tsy izany anefa, no farany. Ny fikasan’Andriamanitra dia ny hanolo ny olona taloha, mpanota ho amin’ny olona vaovao Noforoniny. Nohazavain’i Paoly ao amin’ny bokin’ny Efesiana izany fanomezana izany, milaza hoe:
“Mba hialanareo ny toetrareo taloha araka ny fitondrantenanareo fahiny, izay mihasimba araka ny filan’ny fitaka; fa mba hohavaozina kosa hianareo amin’ny fanahin’ny sainareo, ary mba hotafinareo ny toetra vaovao, izay noforonina araka an’Andriamanitra amin’ny fahitsiana sy ny fahamasinana momba ny fahamarinana.” (Efesiana 4:22-24)
Tsy tokony hihevitra anefa isika, fa hanaiky an-tsokosoko ny fanamelohana ho faty ilay olona antitra. Mifanohitra amin’izany, fa hiezaka mafy izy— indraindray,amin’ny fotoana—mba hifehy antsika indray. Izany dia manazava ny teny fampitandremana nataon’i Paoly ao amin’ny Kolosiana 3:3, izay nilazany hoe: “Fa efa maty hianareo”. Avy eo, ao amin’ny andininy faha-5, dia hoy izy: “Koa vonoy ny momba ny tenanareo izay etỳ an-tany.” Tsy maintsy mijoro amin’ny finoana isika fa efa tanteraka ny fahafatesan’ilay isika taloha, ary tsy maintsy manohitra amim-pahavitrihana ny fikasany hifehy antsika indray isika.
Prayer Response
Misaotra Anao, Tompo ô, noho ny Famelanao. Manambara aho fa teo amin’ny hazo fijaliana, no nametrahan’i Jesosy ny toetra mpanota ahy, ka nosoloany toetra vaovao. Mazoto aho ny hanohitra ny fiezahan’ilay olona taloha hifehy ahy indray, ambara fa voavela heloka ary afaka amin’ny fahotako aho, amin’ny anaran’i Jesosy Kristy, Amena.

Misintona Maimaimpoana
Ity fampaherezam-panahy ity dia azo alaina ho sintonina, atao pirinty ary zaraina ho an'ny fampiasana manokana na am-piangonana.
Misintona PDFTeny Miafina: WD-B097-157-MLG









