Fandresena Tanteraka sy Maharitra

Derek Prince
Published: 2008
Last Updated: November 2026
Read Time: 2
Ny sorona tokana nataon'i Jesosy teo amin'ny hazofijaliana dia nitondra fandresena tanteraka sy maharitra tamin'ny fanjakan'ny maizina. Ianaro ny fomba hitsaharana amin'ny ady atao amin'ny fahavalo efa resy, ary manomboka mizotra amin'ny fahafahana izay efa azony.
Ilay sorona fahafatesan’i Jesosy teo amin’ny hazo fijaliana irery ihany no fototry ny fanomezan’Andriamanitra ny filan’ny olombelona rehetra. Raha tokony hoe hanao asa maro samihafa amin’ny fotoana samy hafa Andriamanitra, dia toy izao ny ilazan’ny Soratra Masina azy:
“Fa ny fanatitra iray ihany [sorona] no efa nahatanterahany ho mandrakizay izay olona hamasinina.” (Hebreo 10:14)
Ny mpanoratra ny Hebreo dia nanazava fa taorian’ny nanateran’i Jesosy izany sorona iray izany, Izy “dia efa mipetraka eo an-tànana ankavanan’Andriamanitra” (andininy 12). Nahoana Izy no nipetraka? Satria Izy tsy voatery ny hamerina hanao izany intsony.
Tamin’ny alalan’ny Asany teo amin’ny hazo fijaliana, Jesosy nanome an’i Satana sy ny fanjakany ny faharesena tanteraka, maharitra, tsy azo ivalozana. Tsy hamerina hanao an’io asa io intsony i Jesosy. Efa resy i Satana. Izaho sy ianao dia tsy voatery handresy an’i Satana. Tsy maintsy mampihatra ny fandresena efa azon’i Jesosy anefa isika ka mandeha amin’izany fandresena izany.
Izao no vakintsika ao amin’ny Kolosiana 1:12:
"Misaotra ny Ray Izay nampahamendrika antsika hanana anjara amin'ny lovan'ny olona masina eo amin'ny mazava."
Ao amin'ny mazava ny lovatsika, ary tsy misy maizina akory ao. Ao amin'ny mazava tanteraka izany. Ahoana no Nanaovany izany?
Sady nahafaka antsika tamin'ny fahefan'ny maizina ka namindra antsika ho amin'ny fanjakan'ny Zanany malalany, Izay ananantsika fanavotana, dia ny famelana ny helotsika. (andininy 13–14)
Amin’ny famonjena amin’ny alalan’ny ran’i Jesosy, no nanafahana antsika tamin’ny fanjakan’ny haizina ary nafindra,na noentina, ho amin’ny fanjakan’ny Zanaky ny fitiavan’Andriamanitra.
Prayer Response
Misaotra Anao, Tompo ô, noho ny Famelanao. Manambara aho fa tamin’ny alalan’ny hazo fijaliana, Jesosy dia nanome an’i Satana sy ny fanjakany faharesena tanteraka, maharitra, tsy azo ovalozana. Mampihatra ny fandresena azon’i Jesosy aho, ary mandeha amin’izany fandresena izany Aho, satria voavela ny heloko ary afaka amin’ny fahotako aho, amin’ny anaran’i Jesosy Kristy, Amena.

Misintona Maimaimpoana
Ity fampaherezam-panahy ity dia azo alaina ho sintonina, atao pirinty ary zaraina ho an'ny fampiasana manokana na am-piangonana.
Misintona PDFTeny Miafina: WD-B097-158-MLG









