Ny Tena Lanjan'ny ahy

Derek Prince
Published: 2008
Last Updated: November 2026
Read Time: 2
Ny fahatsapanao ny lanjanao dia tsy miankina amin’izay fiheveranao ny tenanao, fa amin’izay lazain’ny Ray momba anao. Mihainoa tantara manova fiainana momba ny fomba nitondran’ny fandraisana ny fahamarinana ny amin’ny maha-zanak’Andriamanitra fiovana tanteraka.
Tsy afaka manomboka manisa ny isan'ireo olona nanaovako asa fanompoana aho izay nanana olana lehibe indrindra dia ny tsy fahampian'ny fankasitrahana ny tenany. Nanambany ny tenany loatra izy ireo, izay nahatonga azy ireo hijaly ara-panahy sy ara-pihetseham-po.
Hoy ny 1 Jaona 3:1:
Endrey! manao ahoana ny fitiavana nasehon’ny Ray ho antsika, dia ny niantsoana antsika hoe zanak’Andriamanitra, sady izany tokoa isika!
Vantany vao takatsika fa zanak’Andriamanitra isika, izay tena Tiany akaiky sy manokana; fa Andriamanitra dia liana ao amintsika, tsy mba sahirana izany izy raha ho antsika, ary maniry ny hanana fifandraisana mivantana manokana amintsika tsirairay avy, dia mahazo fitomboana goavana eo amin’ny lanjan’ny tenantsika isika.
Indray mandeha rehefa handeha hivory aho, dia nifanena tamin’ny vehivavy iray. Nandeha tamin'ny hafainganam-pandeha tamin’ny làlana nifanohitra tamiko izy. Taorian’ny fifandonanay, dia nitsangana izy ary niteny hoe: “Atoa. Prince, nivavaka aho fa raha tian’Andriamanitra hiresaka amiko ianao, dia hihaona isika.
“Eny,” hoy aho, “efa nihaona izahay. Saingy roa minitra eo ho eo ihany no azoko omena anao. Tena sahirana be aho.” Nanomboka nilaza tamiko ny zava-manahirana azy izy, ary nony afaka kelikely, dia nanapaka azy aho ka niteny hoe: “Miala tsiny fa iray minitra monja sisa no tavela… Hanaraka ahy amin’ity vavaka ity ve ianao?” Nitarika azy tamin’ny vavaka aho izay nisaorany an’Andriamanitra fotsiny satria Rainy Izy ary izy dia Zanany, Tiany izy, Nokarakarainy izy, miavaka izy, ary an’ny fianakaviana tsara indrindra eto amin’izao tontolo izao izy. Avy eo, dia nisara-dàlana izahay.
Iray volana teo ho eo tatỳ aoriana, dia naharay taratasy avy tamin’io vehivavy io ihany aho, izay nosoratany hoe: “Te hilaza aminao fotsiny aho fa nanova tanteraka ny toe-tsaina eo amin’ny fiainako iny vavaka niarahana natao taminao iny,Sambany aho no tena nahatsapa ny hasarobidin’ny tenako manokana.”
Prayer Response
Misaotra Anao, Jesosy ô, fa nanavotra ahy Ianao. Manambara aho fa ny fifandraisako mivantana sy manokana amin’ny Tompo no manome ahy ny hasarobidin’ny tena. Manambara aho fa zanak’Andriamanitra aho, amin’ny anaran’i Jesosy Kristy, Amena.

Misintona Maimaimpoana
Ity fampaherezam-panahy ity dia azo alaina ho sintonina, atao pirinty ary zaraina ho an'ny fampiasana manokana na am-piangonana.
Misintona PDFTeny Miafina: WD-B097-163-MLG









