Manatona ny Ray

Derek Prince
Published: 2008
Last Updated: November 2026
Read Time: 2
Matetika isika no mankalaza an'i Jesosy ho Mpamonjy antsika, nefa ahoana raha toa ka tsy hitantsika ny tanjona farany izay nokasainy ho antsika? Takaro ny fikasana kanto ananan'ny Zanaka, dia ny hitondra izay rehetra mino mivantana any amin'ny Ray.
Rehefa tonga teto an-tany i Jesosy, dia ny hitondra ireo izay mitodika Aminy ho any amin’ny Ray no tena Tanjony. Ny Soratra Masina dia manambara izany fahamarinana izany amin’ny toerana maro, toy ireto manaraka ireto:
"Fa Kristy koa aza efa nijaly indray mandeha noho ny ota, ny Marina hamonjy ny tsy marina, mba hitondra antsika ho amin’Andriamanitra." (1 Petera 3:18 )
Nahoana i Jesosy no maty? “Mba hitondra antsika ho amin’Andriamanitra.” Tsy Jesosy no farany; Izy no làlana. Nilaza Izy fa ny Tenany, amin’ny fomba hentitra, ao amin’ny Jaona 14:6:
“Hoy Jesosy taminy: Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin'ny Ray, afa-tsy amin'ny alalako.”
Jesosy no làlana, fa ny Ray no toerana aleha. Heveriko fa, imbetsaka ao amin’ny finoantsika Kristiana, dia tena tsy mahita ny tanjon’Andriamanitra isika. Miresaka betsaka momba an’i Jesosy Kristy Tompo isika amin’ny maha-Mpamonjy, Mpanelanelana, Mpanalàlana antsika, sy ny sisa. Mahafinaritra sy marina avokoa ireo teny ireo, nefa tsy tonga amin’ny tanjon’Andriamanitra. Ny tanjon’Andriamanitra dia tsy ny hanatonantsika ny Zanaka fotsiny, fa amin’ny alalan’ny Zanaka, no tokony hantonantsika ny Ray.
Prayer Response
Misaotra Anao, Jesosy ô, fa nanavotra ahy Ianao. Manambara aho fa amin’ny alalan’ny Zanaka, no ahatongavako any amin’ny Ray. Manambara aho fa zanak’Andriamanitra aho, amin’ny anaran’i Jesosy Kristy, Amena.

Misintona Maimaimpoana
Ity fampaherezam-panahy ity dia azo alaina ho sintonina, atao pirinty ary zaraina ho an'ny fampiasana manokana na am-piangonana.
Misintona PDFTeny Miafina: WD-B097-164-MLG









