Ao An-tsandry ny Ray

Derek Prince
Published: 2008
Last Updated: November 2026
Read Time: 1
Mitazona ny olony ho voaro tsara Andriamanitra Ray, na dia eo aza ny fisafotofotoana sy ny fahoriana manodidina azy ireo. Manome toky ny andian’ondriny kely i Jesosy fa tsy misy olona afaka mampitsoaka azy ireo hiala eo an-tanan’ny Ray, ary faly Izy hanome azy ireo ny fanjakana.
Alaivo sary an–tsaina anie ny ankizy kely izay voahazona tsara amin’ny sandrin’ny rainy, ary ny tarehiny dia nifandona tamin’ny soroky ny rainy. Mety hoe misavoritaka sy misy fahasahiranana lehibe ny manodidina. Mety hoe horavana izao tontolo izao. Nefa miadana tanteraka ilay ankizy kely, ka tsy miraharaha ny zava-mitranga manodidina azy. Voaaro izy eo an-tsandrin-drainy.
Isika,ihany koa, dia tazomin’ny Raintsika amin-toky. Nomeny Jesosy toky isika fa lehibe noho izay rehetra manodidina antsika ny Raintsika ary tsy misy maharombaka antsika eo an-Tanany.
Nanome izao toky izao ho an’ny Mpianany koa i Jesosy:
"Aza matahotra, ry ondry vitsy, fa efa sitraky ny Rainareo ny hanome anareo ny fanjakana" (Lioka 12:32)
Mety ho andian’ondry kely fotsiny isika, voahodidin’ny bibi-dia isan-karazany. Fa raha nanolo-tena hanome antsika ny fanjakana ny Raintsika, dia tsy misy fahefana ny eto amin’izao tontolo izao ny hanakana izany amintsika.
Prayer Response
Misaotra Anao, Jesosy ô, fa nanavotra ahy Ianao. Manambara aho fa voaro amin’ny sandrin’ny Ray aho. Zanak’Andriamanitra aho, amin’ny anaran’i Jesosy Kristy, Amena.

Misintona Maimaimpoana
Ity fampaherezam-panahy ity dia azo alaina ho sintonina, atao pirinty ary zaraina ho an'ny fampiasana manokana na am-piangonana.
Misintona PDFTeny Miafina: WD-B097-166-MLG









