Ny Fenitr’Andriamanitra momba ny Fisakaizana

Derek Prince
Published: 2008
Last Updated: November 2026
Read Time: 2
Ny fisakaizana amin’i Jesosy dia tsy zavatra nataotao foana, fa miorina amin’ny fanoloran-tena vokatry ny fanekena. Asehon’i Derek Prince ny fomba iantsoan’i Jesosy ny mpino ho namany sy ny nanomezany ny ainy ho azy ireo. Ity fifandraisana ity koa dia mitaky fanoloran-tena amin’ny fo manontolo sy avy amin’ny andaniny sy ny ankilany ho Azy.
Indrisy, eto amin'izao tontolo izao ankehitriny, ny teny hoe sakaiza dia efa nihena. Lasa teny mora vidy izany, ary mety ho zavatra mora ny fisakaizana. Tiako ho fantatrao anefa fa tsy niova ny fenitr’Andriamanitra ny fisakaizana. Amin’Andriamanitra, ny fisakaizana dia mifototra amin'ny fanoloran-tena amin'ny fanekena. Lasa sakaizan’Andriamanitra i Abrahama, tamin’ny alalan’ny fanoloran-tena amin’ny fanekena. Eo ambanin’ny fanekena vaovao, dia tian’i Jesosy ny hitondra antsika ao amin’ny fifandraisana miaraka Aminy — amin’ny maha-Sakaizany antsika— izay nidiran’i Abrahama tao anatin’ny fanekena taloha.
Ao amin’ny Jaona 15:15, Jesosy dia nilaza tamin’ny M,pianany hoe:
"Tsy hataoko hoe mpanompo intsony hianareo, …fa efa nataoko hoe sakaiza hianareo,"
Fisondrotana izany, manomboka amin'ny maha andevo tonga ho lasa sakaiza. Mila takatsika anefa fa, tsy mora ny fisakaizana toy ny tamin’i Abrahama. Misy vidiny izany hoe sakaizan’i Jesosy izany. Amintsika, ny fototry ny fisakaizana amin’i Jesosy dia mitovy amin’ny an’i Abrahama. Fanoloran-tena amin'ny fanekena izany. Efa handeha hanolotra ny Ainy ho antsika i Jesosy rehefa Izy nilaza hoe:
"Tsy misy manana fitiavana lehibe noho izao, dia ny manolotra ny ainy hamonjy ny sakaizany" (Jaona 15:13)
Tsarovy anefa, fa raha te ho sakaizan’i Jesosy isika, dia tsy maintsy mahafoy ny aintsika ho Azy. Fanoloran-tena roa tonta izany.
Prayer Response
Misaotra Anao, Jesosy ô, fa nanavotra ahy Ianao. Manambara aho fa satria Jesosy nanolotra ny Ainy ho ahy, dia hanolotra ny aiko ho Azy aho, satria sakaizan’i Kristy aho, amin’ny anaran’i Jesosy Kristy, Amena.

Misintona Maimaimpoana
Ity fampaherezam-panahy ity dia azo alaina ho sintonina, atao pirinty ary zaraina ho an'ny fampiasana manokana na am-piangonana.
Misintona PDFTeny Miafina: WD-B097-169-MLG









