Ny Vidin'ny Fisakaizana

Derek Prince
Published: 2008
Last Updated: November 2026
Read Time: 2
Ny fanoloran-tena amin'ny fo manontolo ho an'Andriamanitra no vidin'ny maha-mpianatra marina. Ato amin'ity boky fandinihana ity, mampianatra i Derek Prince fa tsy mitady fanoloran-tena amin'ny ampahany Andriamanitra ary mampifandray izany antso izany amin'ny fanasan'i Jesosy. Ny fanoloran-tena tanteraka toy izany dia mitondra ho amin'ny fiadanana, ny filaminana, ary ny fifaliana.
Matetika, ny refin'ny fanoloran-tena nataon'Andriamanitra aminao dia voafaritra amin'ny fanoloran-tenanao Aminy. Tsy manao fanoloran-tena amin'ny ampahany Andriamanitra, ary tsy te-hanolon-tena amin'ny ampahany. Andriamanitra dia nametraka ny vidin'ny fifandraisana Aminy. Dia izay rehetra anananao.
“Ary toy izany koa hianareo rehetra, izay tsy mahafoy izay rehetra anananareo, dia tsy azo ekena ho mpianatro.” (Lioka 14:33)
Mety hiteny ianao hoe: “Tena sarotra izany.” Nefa izany no zava-misy. Mamelà ahy hilaza aminao zava-misy roa momba ny fanjakan’Andriamanitra. Voalohany indrindra, Andriamanitra aloha dia tsy manao fihenam-bidy mihitsy. Tsy Ahenany mihitsy ny vidin’ny entana rehetra. Raha tianao ny fifandraisana nananan’i Petera, sy Paoly, ary Jaona tamin’ny Tompo, dia tsy maintsy mandoa izay naloan’izy ireo ianao. Tsy nanolotra fihenam-bidy Andriamanitra.
Ny zava-misy faharoa dia ny vaovao tsara: ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra, dia tsy misy fisondrotany. Tsy mbola niakatra ny vidiny, ary tsy nidina ihany koa. Fa mitovy mandrakariva.
Ny vokatry ny fanoloran-tena amin’Andriamanitra dia fiadanana, sy filaminana, ary fifaliana. Tianao ve izany? Tsy maintsy mandray ny fanapahan-kevitra ianao. Hoy Jesosy:
"Indro, efa mitsangana eo am-baravarana Aho ka mandòndòna; raha misy mihaino ny feoko ka mamoha ny varavarana, dia hiditra ao aminy Aho ka hiara-misakafo aminy, ary izy amiko." (Apokalypsy 3:20)
Mariho ny lamina napetrak’i Jesosy ao amin’io andininy io. Voalohany, omenao an'i Jesosy ny sakafonao, ary avy eo dia Omeny anao ny Azy. Araka ny nolazain’i Jesosy tamin’ny Rainy hoe, “Ary izay Ahy rehetra dia Anao; ary izay Anao dia Ahy.” Jaona 17:10). Vonona ny hanao izany karazana fanoloran-tena izany amin’Andriamanitra ve ianao?
Prayer Response
Misaotra Anao, Jesosy ô, fa nanavotra ahy Ianao. Manambara aho fa vonona ny handoa ny vidin’ny fanoloran-tena tanteraka amin’izany fifandraisana izany, satria sakaizan’i Kristy aho, amin’ny anaran’i Jesosy Kristy, Amena.

Misintona Maimaimpoana
Ity fampaherezam-panahy ity dia azo alaina ho sintonina, atao pirinty ary zaraina ho an'ny fampiasana manokana na am-piangonana.
Misintona PDFTeny Miafina: WD-B097-171-MLG









