Mifaly Amin'Andriamanitra

Derek Prince
Published: 2008
Last Updated: November 2026
Read Time: 1
Mora ny mifantoka be loatra amin’ny teolojia sy ny fampianarana ka manjary tsy mahita an’Andriamanitra intsony. Andao isika hiverina amin’ilay fahatsorana kanto amin’ny hoe miara-mandeha Aminy sy mankafy ny fiarahana Aminy toy ny namana.
Teo am-piandohan’ny tantaran’ny olombelona, rehefa nifandray nivantana tamin’Andriamanitra ny olona, dia tena tsotra ny fifandraisan’izy ireo. Tsy dia nisy fombafomba ara-pivavahana sy fitaovana. “Niara-nandeha tamin’Andriamanitra” fotsiny i Enoka (jereo ny Genesisy 5 :22, 24). Rehefa manohy mamaky ny Baiboly isika, dia mihaona amin’i Abrahama, ilay rain’ny finoana, izay mitondra ny anarana mendri-kaja indrindra, dia ny “sakaizan’Andriamanitra” (Jakoba 2:23). Izy sy Andriamanitra dia nankafy tsotr’izao ny fiarahana.
Indraindray aho dia maniry ny hiala amin'ny teolojia sy ny fombafomba ara-pivavahana rehetra ary hanana fifandraisana amin'ny maha-sakaizan'Andriamanitra ahy fotsiny—mandeha miaraka Aminy sy mankafy ny Fiarahany. Tena mino aho fa tian'Andriamanitra ny fankafizan’ny Olony.
Indraindray, isika dia sahiran-tsaina loatra amin'ny fomba fanao sy ny teolojia ary ny foto-pampianarana ka tsy mahita an'Andriamanitra ao anatin'izany rehetra izany. Lasa eo afovoan'ny ala isika, ka ny hazo ihany no hany mba hitantsika. Tsy hitantsika intsony ny sary manontolo. Avy eo, tsy maintsy miala ny ala isika, mijery ny manodidina, ary mieritreritra ny hanitsy ny laharam-pahamehantsika.
Prayer Response
Misaotra Anao, Jesosy ô, fa nanavotra ahy Ianao. Manambara ny faniriako hiara-mandeha amin’Andriamanitra sy hankafy ny Fiarahany aho, satria sakaizan’i Kristy aho, amin’ny anaran’i Jesosy Kristy, Amena.

Misintona Maimaimpoana
Ity fampaherezam-panahy ity dia azo alaina ho sintonina, atao pirinty ary zaraina ho an'ny fampiasana manokana na am-piangonana.
Misintona PDFTeny Miafina: WD-B097-172-MLG









