Ny Fandrefesana ny Fanoloran-tena

Derek Prince
Published: 2008
Last Updated: November 2026
Read Time: 2
Nantsoina hoe sakaizan'Andriamanitra i Abrahama noho ny fanoloran-tenany tanteraka, dia fanekempihavanana izay nohajain'Andriamanitra mihitsy tamin'ny nanomezany ny Zanany lahitokana. Jereo ny fomba maha-tena varavarana mankany amin'ny tena fisakaizana amin'Andriamanitra izany lalan'ny fanoloran-tena amin'ny fanekempihavanana izany.
Nanao fanekena tamin’i Abrahama Andriamanitra, araka ny voarakitra ao amin’ny Genesisy 15. Samy niditra an-tsehatra ny ankilany sy ny andaniny — Andriamanitra sy Abrahama —dia nanao fanoloran-tena tanteraka. Tonga ny fotoana niantsoan’Andriamanitra an’i Abrahama mba hanatanterahany ny fanoloran-tenany sy hanolorany an’i Isaka, zanany, ho sorona. Nefa ny fanoloran-tenan’Andriamanitra dia tanteraka toy ny an’i Abrahama. Noho izany, roa arivo taona tatỳ aoriana, dia nisongadina ny lafiny ilany amin’ilay fifanekena: Andriamanitra dia nanolotra ny Zanany Lahitokana, dia i Jesosy Kristy Tompo.
Tsarovy fa ny fanoloran-tena ataonao amin’Andriamanitra dia matetika no mamaritra ny refin’ny fanoloran-tenan’Andriamanitra aminao. Ny fanoloran-tena tanteraka amin’Andriamanitra dia mitaky ny fanoloran-tenan’Andriamanitra tanteraka. Izany no tena fototry ny fifandraisana amin'ny fanekena. Fanampin’izany, ny fanoloran-tenan’i Abrahama miaraka amin’Andriamanitra dia nanana fiantraikany fanampiny tamin’ny fifandraisany manokana amin’Andriamanitra. Tao amin’ny epistiliny, i Jakoba dia niteny momba ny zavatra nataon’i Abrahama rehefa nanolotra an’i Isaka izy, sy ny vokatry ny faniriany ny hanao izany.
“Tsy nohamarinina tamin'ny asa va Abrahama razantsika, tamin’ny nanaterany an'Isaka zanany teo ambonin'ny alitara? Hitanao fa niara-niasa tamin'ny finoana asany, ary ny finoana dia notanterahina tamin’ny asa; ary tanteraka ny Soratra Masina manao hoe: ‘Ary Abrahama nino an’Andriamanitra, ka nisaina ho fahamarinany izany’, ary natao hoe sakaizan’Andriamanitra izy.” (Jakoba 2:21–23)
Tamin’ny alalan’io fanekena ny fanoloran-tena io sy tamin’ny alalan’ny fanatanterahana izany tamin’ny fanolorana an’i Isaka, dia nisaina ho sakaizan’Andriamanitra i Abrahama. Izany dia anarana tena manan-daja sy mendri-kaja. Ny lesona dia izao: ny fanekena no varavarana ho amin’ny tena fisakaizana. Rehefa manao fifanekena ny olona roa ary miaina ny fepetran’ny fifaneken’izy ireo, dia izany no tena fisakaizana.
Prayer Response
Misaotra Anao, Jesosy ô, fa nanavotra ahy Ianao. Manambara ny fanoloran-tenako tanteraka amin’Andriamanitra aho, ary ny Azy amiko — ny fanekentsika no varavarana ho amin’ny tena fisakaizana marina. manambara aho fa sakaizan'i Kristy aho, amin’ny anaran’i Jesosy Kristy, Amena.

Misintona Maimaimpoana
Ity fampaherezam-panahy ity dia azo alaina ho sintonina, atao pirinty ary zaraina ho an'ny fampiasana manokana na am-piangonana.
Misintona PDFTeny Miafina: WD-B097-173-MLG









