Natao Ho Marina

Derek Prince
Published: 2008
Last Updated: November 2026
Read Time: 2
Miezaka ny hahazo sitraka amin’Andriamanitra amin’ny alalan’ny asa tsara ve ianao? Ny Baiboly dia manambara fifanakalozana lalina izay naha-tonga an’i Jesosy ho ota ho antsika, mba ho tonga fahamarinan’Andriamanitra ao Aminy isika.
Nohamarinina tamin’ny alalan’ny finoana ny ran’i Jesosy isika. Andeha hovakiantsika izay nosoratan’i Paoly momba izany ao amin’ny Romana:
“Ary ho an’izay miasa, [ny mpivavaka] dia tsy isaina ho fahasoavana ny karama, fa ho trosa. Fa ho an’izay tsy miasa kosa, fa mino Izay manamarina ny ratsy fanahy, dia ny finoany no isaina ho fahamarinana.” (Romana 4:4–5)
Mariho ny andininy faha-5. Ny zavatra voalohany tokony hataonao dia ny mitsahatra ny miezaka ny hanamarina ny tenanao. Atsaharo ny miezaka mba hihatsara kely. Atsaharo izany rehetra izany. “Ho an’izay tsy miasa.” Inona no tokony hataontsika? Andeha hojerentsika indray ny fiafaran’io andalan-teny io: “Fa ho an’izay tsy miasa kosa, fa mino Izay manamarina ny ratsy fanahy, dia ny finoany no isaina ho fahamarinana.” (Romana 4:5) Minoa fotsiny ihany. Tsotra arak’izany ve? Raha tsy tsotra arak’izany ilay izy, dia tsy ho vitantsika mihitsy. Manamarina ny olona tsy marina Andriamanitra — izany no lazain’ny Soratra Masina, ary mino izany aho.
“Izay tsy nahalala ota dia efa nataony ota hamonjy antsika, mba ho tonga fahamarinan’Andriamanitra ao aminy kosa isika.” (2 Korintiana 5:21)
Tiako ny manova ny filaharan’ireo teny ao amin’io andininy io, ka manolo anaran-tsamirery ho mpisolo-tena. "Fa Jesosy, Izay tsy nahalala ota,efa nataon'Andriamanitra ota hamonjy antsika, mba ho tonga fahamarinan'Andriamanitra ao amin'i Jesosy kosa isika." Ao ny fifanakalozana feno. Jesosy dia natao ota niaraka tamin’ny fahotantsika mba ho afaka hamarinina amin’ny Fahamarinany isika. Izany fahamarinana izany dia azo amin’ny alalan’ny finoana ny Rany. Nohamarinina amin’ny alalan’ny finoana ny ran’i Jesosy Kristy isika
Prayer Response
Misaotra Anao, Jesosy ô, noho ny sorona Nataonao. Manambara aho fa misy ny fahamarinana amin'ny alalan'ny finoana ny Ranao. Tamin’ny alalan’ny finoana no nanamarinana ahy, amin’ny anaran’i Jesosy Kristy, Amena.

Misintona Maimaimpoana
Ity fampaherezam-panahy ity dia azo alaina ho sintonina, atao pirinty ary zaraina ho an'ny fampiasana manokana na am-piangonana.
Misintona PDFTeny Miafina: WD-B097-176-MLG









