Asa Fankatoavana Iray

Derek Prince
Published: 2008
Last Updated: November 2026
Read Time: 1
Ny tsy fankatoavana tokana nataon’i Adama dia nahatonga ny olombelona rehetra ho mpanota, fa ny fankatoavana tonga lafatra nataon’i Jesoa Kristy Tompo kosa dia manolotra fahamarinana izay tena misy tokoa. Tsy anarana vaovao fotsiny avy amin’Andriamanitra izany, fa fiovana marina izay manova ny maha-ianao anao sy ny fomba fiainanao.
"Fa tahaka ny nanaovana ny maro ho mpanota noho ny tsi-fanarahan’ny olona iray, no hanaovana ny maro ho marina kosa noho ny fanarahan’ny Anankiray." (Romana 5:19)
Noho ny hetsikan’i Adama tokana tsy nankatò, dia—maro—ireo taranany, izany hoe ny rehetra no tonga mpanota. Fa noho ny hetsik’i Jesosy iray nankatò, dia tonga olo-marina izay rehetra mino Azy.
Zava-dehibe io fitoviana io satria ny olona dia tonga mpanota noho ny fahotan’i Adama, anisan’izany izaho sy ianao, tsy mpanota amin’ny anarana fotsiny isika; fa araka ny natiora sy ny fihetsika.
Toy izany koa, rehefa nohamarinina tamin’ny alalan’ny finoana an’i Jesosy isika, dia tsy hoe mametraka anarana vaovao amintsika fotsiny Andriamanitra amin’ny fanesorana ny anarana hoe “mpanota” sy amin’ny fampiharana ilay anarana hoe “marina”. Raha ny marina, dia nohamarinina isika, araka ny natiora sy ny asa.
Tahaka ny tsy fankatoavan’i Adama no nahatonga antsika rehetra ho mpanota, dia toy izany koa ny fankatoavan’i Kristy dia afaka hahatonga antsika rehetra ho marina ihany koa. Tsy amin’ny vava ihany, na amin’ny teolojia ihany, fa amin’ny fomba—fiainantsika, amin’izay toetra voan-janahary izay ao anatintsika.
Prayer Response
Misaotra Anao, Jesosy ô, noho ny sorona Nataonao. Manambara aho fa hetsika iray fankatoavana ny Ampahanao,ka tamin’ny alalan’ny finoana no nanamarinana ahy, amin’ny anaran’i Jesosy Kristy, Amena.

Misintona Maimaimpoana
Ity fampaherezam-panahy ity dia azo alaina ho sintonina, atao pirinty ary zaraina ho an'ny fampiasana manokana na am-piangonana.
Misintona PDFTeny Miafina: WD-B097-177-MLG









