Ny Fiainan'ny Voaloboka

Derek Prince
Published: 2008
Last Updated: November 2026
Read Time: 2
Niantso ny Tenany ho voaloboka i Jesosy ary isika kosa ho sampany, nefa inona moa ilay ranon-kazo izay manome aina ny zavamaniry manontolo? Fantaro ny fomba maha-fiainan’Andriamanitra mihitsy ny Fanahy Masina izay mikoriana ao anatinao, ka mahatonga anao ho afaka hiaina fiainana mamoa.
Mba hanazavana amin’ny olona ny maha zava-dehibe ny fananana Azy eo amin’ny fiainany, dia nampiasa fanoharana momba ny voaloboka sy ny sampany i Jesosy. (Jereo ny Jaona 15:1–8.) Hoy i Jesosy hoe: “Izaho no voaloboka, hianareo no sampany” (andininy 5). Tena namaritra tsara izy. Nomeny hevitra isika amin'ny fandikana ny sary manontolo. Jesosy Tenany mihitsy no voaloboka.
Mba hahavelona sy ahatonga ny voaloboka hamoa, dia tsy maintsy misy tsiranoka — loharanon-tsakafo mikoriana avy any amin’ny fakany, ao amin’ny vatan-kazo, ary mankamin’ny sampany. Raha tsy tonga any amin’ny sampany, anefa, ny tsiranoka dia halazo sy tsy hamoa. Ny fanalahidin’ny fiainan’ny voaloboka dia ny tsiranoka, izay manolotra ny Fanahy Masina. Ao amin’ny Romana 8:10, i Paoly dia nilaza hoe:
“Fa raha Kristy no mitoetra ao anatinareo, na dia maty ihany aza ny tena noho ny ota, dia fiainana kosa ny fanahy noho ny fahamarinana.”
Nahita ny Fahafatesan’i Kristy isika noho ny fahotantsika. Kanefa, rehefa niaina ny Fahafatesany isika, dia miditra ao amin’ny Fiainany noho ny Fahamarinany izay nomena antsika tamin’ny alalan’ny finoana. (Jereo ny Romana 6:6–8.) Ary, rehefa manana ny Fahamarinany isika, dia mandray anjara amin’ny Fiainany. Mandray anjara amin’ny fiainana mikoriana avy any amin’ny fakany isika, amin’ny alalan’ny vatan’ny voaloboka, ary mankamin’ny sampany. Nilaza tamintsika i Paoly ao amin’ny Romana 8:10 fa ny fiainana dia ny Fanahy Masina. Ny Fanahy no fiainana.
Prayer Response
Misaotra Anao, Jesosy ô, noho ny sorona Nataonao. Manambara aho fa mikoriana ato anatiko ny ain’ny voaloboka, dia ny Fanahy Masina. Tamin’ny alalan’ny finoana no nanamarinana ahy, amin’ny anaran’i Jesosy Kristy, Amena.

Misintona Maimaimpoana
Ity fampaherezam-panahy ity dia azo alaina ho sintonina, atao pirinty ary zaraina ho an'ny fampiasana manokana na am-piangonana.
Misintona PDFTeny Miafina: WD-B097-181-MLG









