Tsarovy, nafoin’i Jesosy izay rehetra Nananany mba hividianana anao hiverina amin’ny Tenany. Na dia Tompon’izao tontolo izao aza Izy, dia nahafoy ny Fahefany sy ny Heriny rehetra mba ho faty ao anatin’ny fahantrana tanteraka Izy. Tsy nanana na inona na inona izy. Ny lamba namonosana sy ny fasana nandevenana Azy dia samy nindramina avokoa.

"Fa na dia nanan-karena aza Izy, dia tonga malahelo noho ny aminareo, mba hampanan-karena anareo ny alahelony." (2 Korintiana 8:9)

Angamba tsy mbola nahita ny tenanao ho manan-danja ianao. Angamba manana fijery ratsy momba ny tenanao ianao na koa ambany ny fahatokisan-tenanao. Mety hanao jery todika ny fiainana feno fanaintainana sy fahadisoam-panantenana ianao — fahazazana tsy ampy sy tsy faly, fanambadiana niafara tamin’ny fisaraham-panambadiana, asa izay tsy tanteraka mihitsy, na taona lany tamin’ny zava-mahadomelina sy ny zava-pisotro mahamamo. Ny lasa sy ny hoavinao dia samy mampita hafatra iray ihany: tsy fahombiazana!

Tsy toy izany amin'i Jesosy! Tena tia anao Izy ka Nafoiny ny zavatra rehetra mba hanavotana anao mba ho any Tenany. Avereno ilay teny mahafinaritra nataon’ny apostoly Paoly, ka ataovy ho anao manokana:

“… ny Zanak’Andriamanitra… tia ahy ka nanolotra ny tenany hamonjy ahy” (Galatiana 2:20)

Avereno lazaina indray: "tian’Andriamanitra aho ary natolony ho ahy ny Tenany." Avereno indray, “Ny Zanak’Andriamanitra dia tia ahy ka nanolotra ny Tenany ho ahy.”

Jereo ny tenanao ho toy ilay vato soa eo amin’ilay tanana misy holatran’ny fantsikan’i Jesosy. Henoy ny Lazainy aminao hoe: “Tena tsara tarehy ianao! Namoizako izay rehetra Nanako ianao, nefa tsy nanenina aho. Ahy mandrakizay ianao izao!”

Tsy afaka manao na inona na inona ianao hahazoana izany. Tsy afaka manova ny tenanao mihitsy ianao na manatsara ny tenanao ianao. Ny hany azonao atao dia ny manaiky izay nataon'i Jesosy ho anao ary ny misaotra Azy noho izany! Azy mandrakizay ianao!