Nohamasinina, Natokana, Nafindra

Derek Prince
Published: 2008
Last Updated: November 2026
Read Time: 2
Ny rà sarobidin'i Jesosy no manamasina anao, manaisotra anao tsy ho azon'ny herin'i Satana ary mametraka anao amin'ny toerana ahafahanao manatona an'Andriamanitra amin'ny fomba feno. Tsy eo amin'ny faritanin'ny devoly intsony ianao satria efa nafindra tanteraka ho ao amin'ny fanjakan'ny Zanaka malalan'Andriamanitra ianao.
"Ary amin’izany Jesosy koa dia niaritra teny ivelan’ny vavahady mba hahamasina ny olona amin’ny rany." (Hebreo 13:12)
Ny ran'i Jesosy no manamasina ny mpino tsirairay. Averina indray, fa teny ara-pivavahana ny hoe manamasina, ary maro ny olona very hevitra momba ny dikan'izany. Ny teny hoe manamasina dia mifandray amin’ny teny hoe masina ary mifandray mivantana ao amin’ny teny hoe “masina” ao amin’ny fiteny voalohany ao amin’ny Baiboly. Noho izany, ny hoe manamasina dia midika hoe “manao ho masina”, na “manamasina”. Tafiditra ao anatin’ny fahamasinana ny lafiny fanokanana ho an’Andriamanitra. Ny olona nohamasinina dia mitady ny tenany eo amin’ny faritra ahafahan’Andriamanitra miditra aminy fa ny devoly kosa tsia. Ny hoe nohamasinina dia hoe nesorina amin’ny faritra tsirairay azon’i Satana ary apetraka eo amin’ny toerana izay ahafahantsika ho an’Andriamanitra. Izany ilay hoe nohamasinina: natokana ho an’Andriamanitra, nohamasinina. Tahaka ny fahamarinana, ny fanamasinana dia tsy avy amin’ny asa, na amin’ny ezaka, na fombam-pivavahana. Fa amin’ny finoana ny ran’i Jesosy ihany no hahatongavan’ izany. An'Andriamanitra ianao, eo ambany fifehezan'Andriamanitra ianao, ary malalaka ho an'Andriamanitra ianao. Izay rehetra tsy avy amin'Andriamanitra dia tsy manan-jo hanatona anareo; ataon’ny rà manalavitra izany.
Ao amin’ny Kolosiana 1:12–13, i Paoly dia nanoratra hoe:
“Ka misaotra ny Ray, Izay nampahamendrika antsika hanana anjara amin'ny lovan'ny olona masina eo amin'ny mazava, sady nahafaka antsika tamin'ny fahefan'ny maizina ka namindra antsika ho amin'ny fanjakan'ny Zanany malalany”
Amin'ny alalan'ny finoana ny ran'i Jesosy, dia nesorina tamin'ny faritry ny fahefan'i Satana isika ary nafindra tao amin'ny fanjakan'Andriamanitra. Nafindra tanteraka isika. Tsy mbola ho afindra isika; fa efa nafindra — fanahy , saina, ary vatana. Tsy ao amin’ny faritanin’ny devoly isika. Tsy eo ambanin’ny lalàn’ny devoly isika. Ao amin’ny faritanin’ny Zanak’Andriamanitra isika, ary eo ambanin’ny Lalàny.
Prayer Response
Misaotra Anao, Tompo ô, fa nividy ahy Ianao. Manambara aho fa efa nohamasinina , voatokana ho an’ Andriamanitra, ary nafindra ho any amin’ny fanjakan’Andriamanitra. Efa olom-boavidy aho; An'Andriamanitra aho, amin’ny anaran’i Jesosy Kristy, Amena.

Misintona Maimaimpoana
Ity fampaherezam-panahy ity dia azo alaina ho sintonina, atao pirinty ary zaraina ho an'ny fampiasana manokana na am-piangonana.
Misintona PDFTeny Miafina: WD-B097-196-MLG









