Mifampitondra Amin'ny Fomba Tsara

Derek Prince
Published: 2008
Last Updated: November 2026
Read Time: 2
Ny fomba itondrantsika ny rahalahy sy anabavintsika ao amin'i Kristy dia misy fiantraikany lalina izay mety hisy fiantraikany hatramin'ny fahasalamantsika ara-batana aza. Tsy maintsy mianatra mifampijery tahaka ny fijerin'ny Tompo isika, amin'ny maha rantsambatana sarobidy ao amin'ny Tenany, izay nanolorany ny ainy teo amin'ny hazofijaliana.
Feno karazan'olona maro izao tontolo izao. Raha mijery ivelany fotsiny ianao, dia mety hiteny hoe: “tsy dia itako izay mampientanentana.” Mety hijery fitaratra ianao ary mety hilaza zavatra tahak’izany amin'ny tenanao. Mila mijery ny ao anatiny anefa isika mba hahita ireo rahalahintsika sy anabavintsika ho anisan’ny mpikambana ao amin’ny tenan’i Kristy, olona izay nandatsahan’i Jesosy ny Rany sy nahafatesany.
Raha tsy mankasitraka sy tsy manome voninahitra ny hafa isika, dia mampalahelo ny fon'ny Tompo, satria tia ny olona rehetra ny Tompo ka maty ho azy. Tena mampalahelo ny Tompo raha manana toe-tsaina diso amin’ny mpikambana iray izay ao amin’ny Tenany isika, raha manao tsinontsinona ny hafa ka manamaivana ny hasarobidiny.
Mino aho fa izany no olan'ny mponin'i Korinto, izay noresahin'i Paoly tao amin'ny epistily roa. Betsaka ny fifandraisana diso teo amin'izy ireo. Tsy mahita ny tenan’ny Tompo eo amin’ny samy izy (jereo ny 1 Korintiana 11:29), ary hoy i Paoly:
“Noho izany dia betsaka no marary sy marofy eo aminareo, ary maro ihany no efa nodi-mandry” (andininy 30)
Heveriko fa io antony io no mety ho antony lehibe mahatonga ny aretina eo amin'ny Kristiana ankehitriny. Tsy maintsy holazaiko, miaraka amin’ny fanenenana lalina, fa Kristiana maro no tsy mifampitondra mihitsy toy ny mpikambana ao amin’ny tenan’i Kristy.
Prayer Response
Misaotra Anao, Jesosy ô, noho ny nanaovanao ahy ho anisan’ny Vatanao. Manambara aho fa amin'ny Fahasoavanao dia hanome voninahitra ny mpikambana hafa aho, hijery azy ireo ho olona izay nahafatesan'i Jesosy, satria mpikambana ao amin’ny tenan'i Kristy aho, amin’ny anaran’i Jesosy Kristy, Amena.

Misintona Maimaimpoana
Ity fampaherezam-panahy ity dia azo alaina ho sintonina, atao pirinty ary zaraina ho an'ny fampiasana manokana na am-piangonana.
Misintona PDFTeny Miafina: WD-B097-202-MLG









