Ny Fandraisan'Andriamanitra Andraikitra

Derek Prince
Published: 2008
Last Updated: November 2026
Read Time: 2
Efa nandinika ve ianao hoe ahoana marina no nanombohan’ny finoanao ny Tompo? Ny dingan’ny fanokanana anao ho an’Andriamanitra dia natombok’Izy Tompo manontolo, satria ny Fanahy Masina no mitarika anao ho amin’ny fahamarinana ary manome ilay finoana ilaina indrindra mba hahafahanao mino.
Eo amin'ny dingan'ny fanamasinana, toy ny amin'ny dingana rehetra amin'ny fanavotana, ny fandraisana andraikitra voalohany dia an'Andriamanitra, fa tsy an'ny olona. Izany dia manomboka amin’ny fisafidianan’Andriamanitra antsika, izay natao tany amin’ny mandrakizay. Ao aorian'izay, dia toy izao manaraka izao ny filaharan'ny zava-mitranga amin'ny fotoana:
- Manomboka mitaona antsika ny Fanahy Masina;
- Misintona antsika hiala amin'ny lalana malalaka mankany amin'ny fandringanana Izy (jereo ny Matio 7:13) izay narahintsika (jereo ny Matio 7:13);
- Mitondra antsika mifanatrika amin'ny fahamarinana Izy, dia i Jesosy Tenany mihitsy (jereo ny Jaona 14:6);
- Izy no manome antsika finoana mba hinoana ny fahamarinana; ary,
- Amin'ny alalan’ny finoana ny fahamarinana, no hidirantsika mankany amin'ny famonjena.
Ao amin’ny Efesiana 2:8, dia nanoratra i Paoly fa amin’ny finoana no hamonjena antsika. Nampahatsiahy antsika izy avy eo fa tsy avy amintsika izany finoana izany; fa fanomezana avy amin’ny Fanahy Masina. Amin’io heviny io, dia azontsika atao ny mamaritra ny fanamasinana ho “fanokanana ho an’Andriamanitra”. Amin’ny toe-javatra maro, ny dingana amin’ny fanamasinana dia manomboka efa hatramin’ny ela be talohan’ny hahafantarantsika manokana an’Andriamanitra. Samy nohamasinina tao an-kibon-dreniny ny apostoly Paoly sy ny mpaminany Jeremia (jereo ny Galatiana 1:15; Jeremia 1:5). Nanomboka nanokana antsika ho Tenany Andriamanitra efa hatramin’ny ela be talohan'ny nahafantarantsika izany.
“[Isika] araka ny fahalalana rahateo, izay an’Andriamanitra Ray, amin’ny fanamasinan’ny Fanahy, ho amin’ny fanarahana sy ny famafazan’ny ran’i Jesosy Kristy.” (1 Petera 1:2)
Ny safidin'Andriamanitra, natao tany amin'ny mandrakizay, dia mifototra amin'ny Fahalalany mialoha— tsy misy kisendrasendra na oviana na oviana izany. Ny Fanahy Masina dia mitaona antsika hitokana ho amin’ny toerana iray mifanandrify amin’ny fitakian’i Kristy, avy eo dia manome antsika fahasoavana hankato ny filazantsara. Rehefa mankatò isika, dia hofafazana amintsika ny ràn’i Jesosy. Hitantsika ao amin’io andalan-teny ao amin’ny 1 Petera io fa ny fandraisana andraikitra voalohany amin’ny dinganan’ny fanamasinana dia avy amin’Andriamanitra, fa tsy avy amin’ny olona, ary ny Fanahy Masina no voalohany miasa amin’izany dingana izany.
Prayer Response
Misaotra Anao, Tompo, fa niantso ahy Ianao. Ambarako fa avy amin’Andriamanitra ny fandraisana an-tanana, safidiny izany, natao tany amin’ny mandrakizay — ary tsy kisendrasendra izany. Masina aho. Amena.

Misintona Maimaimpoana
Ity fampaherezam-panahy ity dia azo alaina ho sintonina, atao pirinty ary zaraina ho an'ny fampiasana manokana na am-piangonana.
Misintona PDFTeny Miafina: WD-B097-207-MLG









