Ny Zanany Lahy sy ny Zanany Vavy

Derek Prince
Published: 2008
Last Updated: November 2026
Read Time: 2
Niaritra ny fandavantsika teo amin’ny hazo fijaliana i Jesosy mba hahafahantsika horaisina ho zanaka lahy sy zanaka vavin’Andriamanitra. Ity fifanakalozana mahagaga ity dia drafitr’Andriamanitra hatrizay mandrakizay, izay nanao antsika ho mpiantafan’ny fahasoavany be voninahitra ao amin’Ilay Malalany.
"Isaorana anie Andriamanitra Rain’i Jesosy Kristy Tompontsika Izay nitahy antsika tao amin’i Kristy amin’ny fitahiam-panahy rehetra any an-danitra, araka ny nifidianany antsika tao aminy, fony tsy mbola ary ny fanorenan’izao tontolo izao, mba ho masina sady tsy misy tsiny eo anatrehany isika rehefa notendreny rahateo amin’ny fitiavana isika mba ho Azy amin’ny fananganan-anaka amin’ny alalan’i Jesosy Kristy, araka izay ankasitrahan’ny fony, ho fiderana ny voninahitry ny fahasoavany, izany nanasoavany antsika maimaimpoana ao amin’ny Malala.” (Efesiana 1:3–6)
I Paoly eto dia nanazava ny fikasan’Andriamanitra mandrakizay efa talohan’ny nahariana: mba ho tonga Zanany isika, Zanany lahy sy Zanany vavy. Ny hany fomba hahatanteraka izany dia tamin’ny alalan’ny fisoloana vaika nahafatesan’i Jesosy teo amin’ny hazo fijaliana. Rehefa nitondra ny fahotantsika Jesosy ary niaritra ny fandavana antsika, dia nanokatra ny lalana ho amin’ny fanekena antsika Izy. Nandritra io vanim-potoana io ihany, dia namoy ny maha-Zanak’Andriamanitra Azy Izy mba hahazoantsika izany sata mitovy izany — amin’ny maha-zanaka lahy sy zanaka vavin’Andriamanitra.
Tiako ny andininy fahenina manao hoe: “Ho fiderana ny fahasoavany be voninahitra, izay nomeny antsika maimaimpoana ao amin’Ilay tiany.” Tena mahery vaika ilay teny nadika hoe “nomena antsika maimaimpoana”. Io teny io ihany no nampiasain’ny anjely tamin’ny fiarahabana an’i Maria Virijiny manao hoe: “Ianao izay nohasoavina indrindra.” (Lioka 1:28). Midika izany fa lasa fitaovana ankasitrahan’Andriamanitra manokana isika. Milaza ny Dikan-teny Vaovao King James fa “nataon’Andriamanitra ankasitrahana ao amin’ny Malala isika” (Efesiana 1:6).
Tokony ho tsapanao fa Jesosy no nitondra ny fahotanao sy ny fandavana anao mba hahazoanao ny Fanekeny ho iray amin'ireo Zanany.
Prayer Response
Misaotra Anao, Tompo ô, fa nifidy ahy am-pitiavana Ianao. Manambara aho fa i Jesosy no nitondra ny fandavana ahy mba hahazoako ny Fanekeny. Natsangana ho zanak’Andriamanitra aho, amin’ny anaran’i Jesosy Kristy, Amena.

Misintona Maimaimpoana
Ity fampaherezam-panahy ity dia azo alaina ho sintonina, atao pirinty ary zaraina ho an'ny fampiasana manokana na am-piangonana.
Misintona PDFTeny Miafina: WD-B097-211-MLG









