Fifandraisana amin’ny Raintsika

Derek Prince
Published: 2008
Last Updated: November 2026
Read Time: 2
Tao anatin’ny vavaka farany nataony talohan’ny Hazofijaliana, dia nampiharihary ny tanjona mahatalanjona an’ny Filazantsara i Jesosy. Nivavaka Izy mba hidirantsika ao anatin’ilay fifandraisam-pitiavana mitovy tanteraka amin’ny Ray izay ananany, mba hahafahantsika mitia an’Andriamanitra tahaka ny itiavan’ny Zanaka Azy.
Ao amin’ny andininy roa farany ao amin’ny Jaona 17, dia hitantsika ny teny farany nataon’i Jesosy tamin’ny Mpianany talohan’ny Nijaliany sy ny Nahafatesany teo amin’ny hazo fijaliana. Mino aho fa ireo andininy roa ireo no faratampon’ny tanjon’ny filazantsara manontolo. Ity misy ampahany amin’ny vavaka nataon’i Jesosy.
“Ray marina ô, tsy nahalala Anao izao tontolo izao; fa Izaho nahalala Anao, ary ireto efa mahalala fa Hianao no naniraka Ahy. Ary efa nampahafantariko azy ny anaranao. (Jaona 17:25–26a)
Ilay anarana nambaran’i Jesosy eto dia ny Ray. Tena vitsy ihany no ahitanao ny fampiasana ny teny hoe Ray hilazana an’Andriamanitra ao amin’ny Testamenta Taloha. Ny Zanaka ihany no hany afaka nanambara tanteraka ny Ray. Avy eo, Dia hoy Jesosy:
"Ary mbola hampahafantariko ihany, mba ho ao aminy ny fitiavana izay nitiavanao Ahy, ary Izaho koa ho ao aminy." (andininy 26)
Ny tanjona faratampony amin'ny filazantsara dia io fifandraisana am-pitiavana amin'Andriamanitra io izay itiavan'Andriamanitra antsika amin'ny fomba mitovy amin'ny nitiavany an'i Jesosy — ary mbola — Nitiavany azy hatrany, ary, ny fitiavantsika an'Andriamanitra tahaka ny nitiavan'i Jesosy Azy. Izany no tanjona — mba hitondrana antsika ho ao amin’ny fianakavian’Andriamanitra, mba hitondrana antsika ho amin’ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra amin’ny maha-Ray azy, izay mitovy amin’ny fifandraisan’i Jesosy. Izany no mahatonga antsika ho tia an’Andriamanitra amin’ny fitiavana mitovy amin’ny nitiavan’i Jesosy Azy. Tsy afaka mangataka fanampiny ianao. Tsy azo eritreretina izany. Lasa lavitra ny saintsika olombelona ny mieritreritra ny ao anatiny. Fa io no tanjona, fikasana faratampony. Ny hafa rehetra dia faharoa.
Prayer Response
Misaotra Anao, Tompo ô, fa nifidy ahy ao amin’ny fitiavana Ianao. Manambara aho fa ny tanjoko faratampony sy ny fikasako dia ny hiditra ao amin’ny fifankatiavana mifandray amin’Andriamanitra Raiko, satria natsangana ho zanak’Andriamanitra aho, amin’ny anaran’i Jesosy Kristy, Amena.

Misintona Maimaimpoana
Ity fampaherezam-panahy ity dia azo alaina ho sintonina, atao pirinty ary zaraina ho an'ny fampiasana manokana na am-piangonana.
Misintona PDFTeny Miafina: WD-B097-217-MLG









