Ny Fiankinantsika amin'ny Fanahy Masina

Derek Prince
Published: 2008
Last Updated: November 2026
Read Time: 2
Moa ve ianao sahirana indraindray mitady ny teny mety holazaina rehefa mivavaka, na tsy fantatrao akory izay tokony hangatahina amin'Andriamanitra? Ianaro ny fomba handresen'ny Fanahy Masina ny fahalementsika, ka hanomezany antsika fidirana mihoatra ny voajanahary any amin'ny Ray amin'ny alalan'i Jesosy Kristy Tompontsika.
Amin'ny maha-nofo antsika, dia manana fahalemena isika rehetra. Ireo fahalemena ireo dia tsy avy amin’ny vatana fa avy amin’ny sain’ny —fahatakarantsika. Miseho amin'ny fomba roa mifandray izy ireo. Voalohany, tsy fantatsika matetika hoe inona no tokony hivavahana. Faharoa, na dia fantatsika aza izay tokony hivavahana, dia tsy haintsika ny mivavaka ho an’izany. Noho izany dia voahidy amin’ny fiankinana tanteraka amin’ny Fanahy Masina isika. Izy irery ihany no afaka mampiseho amintsika ny atao sy ny fomba fanaovana vavaka (jereo ny Romana 8:26–27).
Ao amin'ny bokin'ny Efesiana, i Paoly dia nanantitrantitra ny fiankinantsika amin'ny Fanahy Masina mba hanome antsika vavaka izay ankasitrahan'Andriamanitra. Nohamafisiny fa i Jesosy sy ny Fanahy Masina irery ihany no afaka manome antsika fahafahana hanatona an’Andriamanitra :
“Fa Izy [Jesosy Kristy] no ananantsika [Jiosy sy Jentilisa] roa tonta fanatonana amin’ny Fanahy iray [ny Fanahy Masina] ho any amin’ny Ray.” (Efesiana 2:18)
Fepetra roa ho an'ny vavaka ankasitrahana no atambatra eto: amin'ny alalan'i Jesosy sy amin'ny Fanahy Masina. Samy ilaina ireo. Tsy misy hery ara-boajanahary afaka mitondra ny feon’olombelona malemy avy eto an-tany ho eo amin’ny sofin’Andriamanitra eo amin’ny seza Fiandrianany any an-danitra. Ny herin’ny Fanahy Masina mihoatra ny natoraly ihany no afaka manao izany. Raha tsy misy Azy, dia tsy manana fahafahana mankao amin’Andriamanitra isika.
Prayer Response
Misaotra Anao, Tompo ô, fa afaka tonga Aminao aho. Manambara aho fa ny fiankinako tanteraka amin’ny Fanahy Masina aho, izay afaka manome ahy fahafahana manatona ny Ray amin’ny alalan’i Jesosy. Afaka manatona an’Andriamanitra amin’ny alalan’ny Fanahy Masina aho, amin’ny anaran’i Jesosy Kristy, Amena.

Misintona Maimaimpoana
Ity fampaherezam-panahy ity dia azo alaina ho sintonina, atao pirinty ary zaraina ho an'ny fampiasana manokana na am-piangonana.
Misintona PDFTeny Miafina: WD-B097-218-MLG









