Fahazoana ny Famatsiana Fenon’Andriamanitra

Derek Prince
Published: 2008
Last Updated: November 2026
Read Time: 2
Mifantoka amin'ny lafiny sasany amin'ny finoanao ve ianao nefa manao tsirambina ny hafa? Fantaro ny antony maha-zava-dehibe ny fandraisana ny fahafenoan'ny fanomezan'Andriamanitra amin'ny alalan'i Kristy mba hahafahanao mijoro tanteraka ao anatin'ny sitrapony.
Mba hijoro ho lavorary sy ho tanteraka amin’ny fahafenoan’ny sitrapon’Andriamanitra, ny Kristiana iray dia tsy maintsy manararaotra amin’izay rehetra nomen’Andriamanitra azy tamin’ny alalan’i Kristy. Tsy afaka manilika ny ampahany amin’ny famatsian’Andriamanitra manontolo izy ary manantena fa hisy ampahany hafa ho solon’izay nailika.
Kanefa, amin'io teboka io indrindra no mahadiso hevitra ny Kristiana maro be. Na amin’ny fahafantarany na ny tsy fahafantarany, mihevitra izy ireo fa satria efa nanararaotra ny ampahany sasany, na ampahany maro, amin’ny famatsian’Andriamanitra ho azy ireo izy ireo, dia tsy mila manahy ny amin’ny ampahany hafa izay nailika
Ohatra, ny Kristiana sasany dia manantitrantitra mafy ny amin’ny fitoriana amin’ny vava nefa manao tsirambina momba ny lafiny fampiharana eo amin’ny fiainana Kristiana isan’andro. Mifanohitra amin’izany, ny Kristiana hafa dia mitandrina momban’ny fitondran-tenany, nefa tsy mitory ampahibemaso amin’ny namany sy ny mpiara-belona aminy. Ny tsirairay amin’ireo karazana Kristiana ireo dia mirona hanakiana na hanamavo ny hafa, kanefa samy manana ny fahadisoana izy ireo. Tsy mahasolo ny fitoriana am-bava ny fiainana Kristiana tsara. Etsy an-danin’izany, ny fitoriana am-bava dia tsy mahasolo ny fiainana Kristiana tsara. Samy takin’Andriamanitra ireo roa ireo. Ny mpino izay manilika ny an-daniny na ny an-kilany dia tsy mijoro tanteraka sy feno amin’ny sitrapon’Andriamanitra.
Prayer Response
Misaotra Anao, Tompo ô, noho ny amin’ny Asanao ato amiko. Manambara aho fa ny faniriako dia ny hanararaotra izay rehetra nomen’Andriamanitra ny tenako amin’ny alalan’i Kristy, mba hijoroako ho tanteraka sy feno amin’ny sitrapon’Andriamanitra, satria efa natao tanteraka ao amin’i Kristy aho, amin’ny anaran’i Jesosy Kristy, Amena.

Misintona Maimaimpoana
Ity fampaherezam-panahy ity dia azo alaina ho sintonina, atao pirinty ary zaraina ho an'ny fampiasana manokana na am-piangonana.
Misintona PDFTeny Miafina: WD-B097-227-MLG









