Tanteraka ao Amin'i Kristy

Derek Prince
Published: 2008
Last Updated: November 2026
Read Time: 2
Mizara ny fikarohana lalina nataony momba ny fahamarinana tamin’ny alalan’ny fahendren’izao tontolo izao ny mpandinika filozofia iray teo aloha, saingy hitany fa foana avokoa ny lalana rehetra. Henoy ny fijoroana ho vavolombelona mahatalanjona momba ny fihaonany tamin’ny Tompo Jesosy Kristy sy ny nahitany fa ao Aminy irery ihany no misy ny haren’ny fahendrena sy ny fahalalana rehetra.
Filozofa matiana aho taloha. Noho izany, nijery tetsy, sy teroa, ary n’aizan’aiza aho mba hahitana valiny amin'ireo olana eo amin'ny fiainana. Nijery ny Kristianisma aho, araka izay naseho ahy tamin’izany, ary nanatsoaka hevitra fa tsy nanana ny valiny ny Kristianisma. Marina tanteraka aho — fa tsy nanao izany. Nitodika tany amin’ny filozofia Grika aho, nitodika tany amin’ny Yoga, nitodika tany amin’ny karazan-javatra mahatsikaiky rehetra aho. Avy eo, tamin’ny 1941, tao amin’ny efitrano tobin’ny tafika indray hariva tokony ho tamin’ny misasakalina, rehefa tsy nisy olona nifoha, dia nihaona manokana tamin’i Jesosy Kristy Tompo aho. Ary tamin'io fihaonana io dia hitako fa nahita ny valiny aho.
Taorian'izay, dia namaky zavatra nosoratan'i Paoly momba an'i Jesosy Kristy aho:
“Izay iafenan'ny rakitry ny fahendrena sy ny fahalalana rehetra.” (Kolosiana 2:3)
Hoy aho anakampo hoe: Nahoana aho no mbola hikoropaka ao amin'ny fanariam-pakon'ny fahendren'olombelona, nefa ao amin'i Jesosy Kristy no miafina ny harena rehetra? Ary nanapa-kevitra aho fa ny Baiboly no boky misy ny valiny, ary tapa-kevitra ny hitady izay nafenin’Andriamanitra ao amin’i Jesosy Kristy aho ao amin’izany.
Indraindray aho nania; indraindray aho niodina sy nivily lalana. I Jesosy anefa no “Izaho no Alfa sy Omega, ny Fiandohana sy Fiafarana,ny Voalohany sy Farany.” (Apokalypsy 22:13) ary “Tompon’ny finoantsika sy Mpanefa azy” (Hebreo 12:2). Feno tanteraka ao Aminy isika. Raha manomboka mijery ivelan’i Kristy ianao, dia hahita karazana teoria mahaliana sy famelabelarana manaitaitra, nefa lasa mihinana hodi-kazo ianao raha tokony mivelona amin’ny mofon’ny Ray ianao.
Prayer Response
Misaotra Anao, Tompo ô, noho ny amin’ny Asanao ato amiko. Manambara aho fa i Jesosy no valiny — ny Alfa sy Omega, ny Fiandohana sy ny Fiafarana, ny Voalohany sy ny Farany, ny mpanoratra sy ny mpamita ny finoana. Feno ao Aminy aho, satria efa natao tanteraka ao amin’i Kristy aho, amin’ny anaran’i Jesosy Kristy, Amena.

Misintona Maimaimpoana
Ity fampaherezam-panahy ity dia azo alaina ho sintonina, atao pirinty ary zaraina ho an'ny fampiasana manokana na am-piangonana.
Misintona PDFTeny Miafina: WD-B097-228-MLG









