Faribolana Tanteraka

Derek Prince
Published: 2008
Last Updated: November 2026
Read Time: 2
Mety hoatran'ny fenitra tsy ho tratra ny didin'i Jesosy ny amin'ny ho tonga lafatra, nefa ahoana raha zavatra tsotra kokoa noho izay eritreretinao no dikany? Ity hafatra ity dia mampiasa ny endriky ny boribory mba hanazavana amim-pomba kanto ny fomba ahafahantsika maneho ny toetra lavorarin'Andriamanitra Raintsika.
Araka ny efa nolazaiko teo aloha, ny teny hoe tonga lafatra dia matetika mampatahotra ny olona. Mba tsy hampahatahotra an'io teny io dia te hampiasa ohatra tsotra avy amin'ny matematika aho.
Andao horaisina ny fampiasana ny teny hoe boribory. Iray ihany ny fenitra ho an'ny fihodinana. Misy zavatra na boribory na tsy boribory. Raha misy zavatra boribory ,dia faribolana izany. Ny karazana faribolana dia iray ihany; tsy misy faribolana telo na efatra samy hafa. Na izany aza, dia misy faribolana amin’ny habeny maro samihafa.
Andriamanitra Ray no faribolana lehibe, ilay peratra boribory tsy hay refesina izay mandrakotra izao rehetra manontolo izao. Tsy manantena antsika hitovy halehibe amin’Andriamanitra i Jesosy, fa manantena antsika hanana toetra mitovy amin’Andriamanitra Izy. Izaho sy ianao dia mety ho faribolana kely dia kely — miasa any amin'ny faritra kely izay nametrahan'Andriamanitra antsika amin'ny adidy izay toa tsy dia misy dikany loatra. Kanefa, ho antsika tsirairay ao amin’ny faritra kelintsika, dia tian’Andriamanitra ho faribolana tonga lafatra isika. Boribory tanteraka. Boribory tahaka an’io “faribolana lehibe” io, Andriamanitra Ray, izay mandrakotra izao rehetra izao.
Ka rehefa mamaky ny baikon’i Jesosy hoe “ho tanteraka” ianao (Matio 5:48), dia eritrereto hoe “boribory” ilay izy. Aza mitongilana, misy mibontsina kely. Aza manana lesoka. Mety tsy dia lehibe loatra ianao, fa mety ho faribolana tonga lafatra.
Prayer Response
Misaotra Anao, Tompo ô, noho ny amin’ny Asanao ato amiko. Manambara aho fa tian’Andriamanitra ho “faribolana tonga lafatra” aho — ary, noho ny Fahasoavany, dia ho tonga tanteraka aho, satria efa natao tanteraka ao amin’i Kristy, amin’ny anaran’i Jesosy Kristy, Amena.

Misintona Maimaimpoana
Ity fampaherezam-panahy ity dia azo alaina ho sintonina, atao pirinty ary zaraina ho an'ny fampiasana manokana na am-piangonana.
Misintona PDFTeny Miafina: WD-B097-231-MLG









