Voankazo Mifanaraka

Derek Prince
Published: 2008
Last Updated: November 2026
Read Time: 2
Milaza ny Baiboly fa ny loharano iray dia tsy afaka mamoaka rano mamy sy rano masira miaraka, nefa impiry moa isika no midera an'Andriamanitra nefa avy eo miteny ratsy ny hafa? Ity fampianarana mahery vaika ity dia mampiharihary izay ambaran'ny tenintsika momba ny fontsika sy ny tena loharano ara-panahy izay mitarika antsika.
Niresaka momba ny fiovaovan'ny mpivavaka i Jakoba:
"Izy no isaorantsika ny Tompo, dia ny Ray; ary izy ihany koa no anozonantsika ny olona, izay natao araka ny endrik'Andriamanitra. Ny vava iray ihany no ivoahan'ny fisaorana sy ny fanozonana. Ry rahalahiko, tsy mety raha misy izany. Moa ny loharano va mamoaka rano mamy sy mangidy eo amin'ny vavany iray ihany? Ry rahalahiko, ny aviavy va mety mamoa voan'oliva, na ny voaloboka mamoa voan'aviavy? Toy izany ny rano masirasira tsy mba ivoahan'ny mamy" (Jakoba 3:9–12)
Manambatra sary roa i Jakoba eo. Ny iray dia amin'ny hazo. Nilaza izy fa tsy hamoa karazana voa hafa, toy ny oliva, ny hazon’aviavy. Ny karazana hazo dia manondro ny karazana voa izay vokariny. Ny hazo, eo amin’io sary io, dia ny fo; ny voa dia ny teny aloaky ny vava. Ny sary faharoa nampiasain’i Jakoba dia an’ny loharano iray. Nilaza izy fa raha misy rano masira avy amin'ny loharano iray, dia fantatrao fa masira ny rano ao amin'ny loharano. Ny hazo roa dia maneho toetra roa. Ny hazo mamoa tsy mitovy amin’izay tokony hamoany dia ratsy; io hazo io dia maneho ilay olona taloha. Ny hazo tsara dia ilay olom-baovao ao amin’i Jesosy Kristy. Tsy afaka mamoa voa tsara ilay olona taloha. Im-betsaka i Jesosy no nilaza izany mazava tsara (jereo, ohatra, ny Jaona 15:1–8). Avy amin’io toetra ara-nofo taloha io dia hisy vokatra mifanaraka amin’izany toetra izany mandrakariva. Ny loharano, dia maneho zavatra ara-panahy. Ilay loharano madio dia ny Fanahy Masina. Ny loharano simba, masira, maloto dia fanahy hafa.
Prayer Response
Misaotra Anao, Jesosy ô, tamin'ny fifanakalozana teo amin'ny hazo fijaliana. Manambara aho fa hisy voa tsara hivoaka avy amin'ny toetrako vaovao, satria efa maty ao amin’i Kristy ilay olona taloha mba ho tonga olom-baovao eo amin’ny fiainako, amin’ny anaran’i Jesosy Kristy, Amena.

Misintona Maimaimpoana
Ity fampaherezam-panahy ity dia azo alaina ho sintonina, atao pirinty ary zaraina ho an'ny fampiasana manokana na am-piangonana.
Misintona PDFTeny Miafina: WD-B097-238-MLG









