Nohasoavina sy Nekena

Derek Prince
Published: 2008
Last Updated: November 2026
Read Time: 2
Ao anatin'ity tontolo feno fandavana ity, ny Tenin'Andriamanitra dia manambara fa voafidy ianao, natsangana ho zanaka, ary nekena tanteraka ao amin'Ilay Malala. Avia hahatakatra izany fahamarinana mahagaga izany fa tsy hoe leferin'Andriamanitra fotsiny ianao, fa iantefan'ny fankasitrahany ambony indrindra.
“Araka [Andriamanitra] ny nifidianany antsika ….. rehefa notendreny rahateo amin’ny fitiavana isika mba ho Azy amin’ny fananganan-anaka amin’ny alalan’i Jesosy Kristy, araka izay ankasitrahan’ny fony, ho fiderana ny voninahitry ny fahasoavany, izany nanasoavany antsika maimaimpoana ao amin’ny Malala.” (Efesiana 1:4–6)
Iza ilay “Malala”? Jesosy. Mariho ny baiko ao. Voafidy, voatendry mialoha, natsangana, ary nekena isika. Lazao mafy ireto dingana ireto: “Nofidiana aho, voatendry mialoha, natsangana, nekena.” Fantatro fa tsy mampiasa ny teny hoe ekena ny sasany amin’ireo fandikan-teny maoderina. Ny andian-teny Grika nadika hoe “Nahatonga antsika ho Nekeny” dia midika hoe, “Andriamanitra dia nanome antsika tanteraka ny Fahasoavany.” Rehefa niarahaba an’i Maria Virjiny ny anjely Gabriela, dia hoy izy, “Arahaba, ry ilay nohasoavina …” (Lioka 1:28). Ny teny Grika hoe nohasoavina dia mitovy ao amin’ny Efesiana, ary ny hoe “ekena” no fomba tsara handikana azy io. Tsy vitan’ny hoe eken’Andriamanitra amin’ny fandeferana fotsiny isika. Tsy mijoro amin’ny sisiny fotsiny isika. Fa, isika no tanjon'ny Fanasovany ambony indrindra. Afaka mino izany ve ianao? Tena goavana izany.
Araka ny hevitro, mifandray mivantana amin'ny olana momba ny ilikilika ny fahatsapana ny tsy fandriampahalemana. Ny vahaolana dia ny fidirana ho anisan’ny fianakavian’Andriamanitra. Tsy niova Andriamanitra. Andriamanitra dia fitiavana. Andriamanitra dia tia ny Zanany tsirairay. Tsy misy ny hoe zanak'Andriamanitra kilasy faharoa. Raha zanak'Andriamanitra ianao, dia tsy mila mikisaka midina eny amin'ny lalan-tsara sy mandondòna eo am-Baravarany, amin'ny fanantenana fa Sitrapony ny hampiditra anao. Miandry anao amin'ny tanana misokatra Izy.
Prayer Response
Misaotra Anao, Ray ô, fa Zanakao aho. Manambara aho fa voafidy, voatendry mialoha, natsangana, nekena. Nomen'Andriamanitra ahy tanteraka ny Fanasoavany. Ao amin’ny fitiavana, no nanendren’ny Raiko mialoha ahy mba hatsangana ho Zanany lahy na ho Zanany vavy, amin’ny anaran’i Jesosy Kristy, Amena.

Misintona Maimaimpoana
Ity fampaherezam-panahy ity dia azo alaina ho sintonina, atao pirinty ary zaraina ho an'ny fampiasana manokana na am-piangonana.
Misintona PDFTeny Miafina: WD-B097-239-MLG









