Nifidy Mialoha Andriamanitra

Derek Prince
Published: 2008
Last Updated: November 2026
Read Time: 2
Nifidy ny mpino ao amin'i Kristy Andriamanitra talohan'ny niforonan'izao tontolo izao ary nandamina ny fiainan'izy ireo araka ny fikasany. Mampianatra i Derek Prince fa manome fitoniana ny fahalalan'Andriamanitra mialoha sy ny fanendrena mialoha, mampahatsiahy ny mpino fa ny safidin'Andriamanitra no niandohan'ny fiainan'izy ireo.
"Isaorana anie Andriamanitra Rain’i Jesosy Kristy Tompontsika Izay nitahy antsika tao amin’i Kristy amin’ny fitahiam-panahy rehetra any an-danitra, araka ny nifidianany antsika tao aminy, fony tsy mbola ary ny fanorenan’izao tontolo izao." (Efesiana 1:3–4)
Efa fantatr'Andriamanitra mialoha isika, ary, noho ny Fahalalany mialoha, no Nifidianany antsika. Tsy eo amin'izay misy anao ianao satria noho ny safidy nataonao; fa eo amin'ny toerana misy anao ianao ary tahaka an’io satria Andriamanitra no nanao ny safidy. Io fahamarinana io dia mampiavaka ny toe-tsainao momba ny tenanao sy ny toe-java-misy anao, izay samy natombokan’Andriamanitra. Tsy ianao no nametraka ny fiainanao; fa Andriamanitra.
Tsy vitan'ny hoe fantatr'Andriamanitra mialoha ihany isika, fa efa Notendreny mialoha koa isika. Misy olona matahotra ny teny hoe notendrena mialoha sy ny dikan’izany. Te-hanolo-kevitra anareo aho fa izany dia midika fotsiny fa Andriamanitra no nandamina, mialoha, ny lalana izay harahin’ny fiainantsika. Araka ny nambaran’i Paoly ao amin’ny Romana 8:29, “Satria izay efa Fantany rahateo, no Notendreny koa”. Namboariny mialoha izany rehetra izany.
Dia, nanoratra toy izao i Paoly, ao amin’ny Efesiana 1:11:
“Ao aminy koa no nanaovana antsika ho lovany [ao amin’i Kristy], rehefa notendrena rahateo isika araka ny fikasan’Izay mahefa ny zavatra rehetra araka ny ankasitrahan’ny fony.”
Ity antoka ity dia tokony hanome anao fandriampahalemana. Efa voatendry mialoha ianao; ny fandehan’ny fiainanao dia efa nalamin’Ilay miasa ny zavatra rehetra amin’ny lalana izay Narafiny. Manao ny zavatra rehetra araka ny Sitrapony manokana Izy.
Prayer Response
Misaotra Anao, Ray ô, fa Zanakao aho. Manambara aho fa ny lalan’ny fiainako dia efa nalamin’Ilay manao ny zavatra rehetra mialoha araka izay Tiany. Amin’ny fitiavana, no nanendren’ny Raiko ahy mialoha mba hatsangana ho Zanany lahy na ho Zanany vavy, amin’ny anaran’i Jesosy Kristy, Amena.

Misintona Maimaimpoana
Ity fampaherezam-panahy ity dia azo alaina ho sintonina, atao pirinty ary zaraina ho an'ny fampiasana manokana na am-piangonana.
Misintona PDFTeny Miafina: WD-B097-244-MLG









