Izay Nataon'Andriamanitra!

Derek Prince
Published: 2008
Last Updated: November 2026
Read Time: 2
Ny nandriatran'Andriamanitra ny ridaon'ny tempoly dia fanambarana mahery vaika fa ekena ianao noho ny zavatra nataon'ny Zanany teo amin'ny Hazofijaliana. Afaka mahita toky marina ianao amin'ny fahafantarana fa ny famonjena anao dia tsy miankina amin'ny fanapahan-kevitrao ho Azy, fa amin'ny fanapahan-keviny mandrakizay ho anao.
Rehefa maty teo amin’ny hazo fijaliana i Jesosy, dia triatra nizara roa ny efitra lamba tao amin’ny tempoly nanasaraka an’Andriamanitra masina tamin’ny olombelona mpanota, fanambarana fa afaka mahazo ny Fanekeny isika (jereo, ohatra, ny Matio 27:51). Rovitra hatrany ambony ka hatrany ambany ilay izy ka tsy nisy afaka nilaza mihitsy hoe olona no tompon’andraikitra. Andriamanitra no nanao izany. Ny efitra lamba rovitra dia ny fanasan’ny Ray ho an’ny olona rehetra izay mino an’i Jesosy hoe, “Midira; tongasoa ianao. Ny Zanako efa niaritra ny fandavana anao mba hatolotro ho anao ny Fanekeko.”
"Isaorana anie Andriamanitra Rain’i Jesosy Kristy Tompontsika Izay nitahy antsika tao amin’i Kristy amin’ny fitahiam-panahy rehetra any an-danitra, araka ny nifidianany antsika tao aminy, fony tsy mbola ary ny fanorenan’izao tontolo izao." (Efesiana 1:3–4a)
Mariho fa tsy antsika io safidy farany io, fa an'Andriamanitra. Aza mieritreritra hoe voavonjy ianao satria nisafidy ny ho voavonjy! Voavonjy ianao satria Andriamanitra nifidy anao, ary namaly ny Safidiny ianao. Mety hiova hevitra ianao, fa Andriamanitra tsy manova ny Azy.
Misy fanantitranterana diso toerana be ao amin'ny famelabelarana ny filazantsara amin'izao fotoana izao izay toa manondro fa miankina amin'izay ataontsika ny zava-drehetra. Marina fa tsy maintsy misafidy isika, saingy tsy ho afaka hifidy mihitsy isika raha tsy nofidin’Andriamanitra tamin’ny voalohany. Ho hitanao fa azo antoka kokoa ny maha Kristiana anao rehefa mifototra amin’ny fifandraisana amin’Andriamanitra tsy amin’izay ataonao fa amin’izay nataon’Andriamanitra. Andriamanitra dia azo ianteherana kokoa noho izaho sy ianao!
Prayer Response
Misaotra Anao, Ray ô, fa Zanakao aho. Manambara aho fa zanak’Andriamanitra aho, tsy mifototra amin’izay ataoko, fa amin’izay nataon’Andriamanitra. Amin’ny fitiavana, no nanendren’ny Raiko ahy mialoha mba hatsangana ho Zanany lahy na ho Zanany vavy, amin’ny anaran’i Jesosy Kristy, Amena.

Misintona Maimaimpoana
Ity fampaherezam-panahy ity dia azo alaina ho sintonina, atao pirinty ary zaraina ho an'ny fampiasana manokana na am-piangonana.
Misintona PDFTeny Miafina: WD-B097-245-MLG









