Mahalala ny zavatra rehetra Andriamanitra

Derek Prince
Published: 2008
Last Updated: November 2026
Read Time: 2
Fantatry ny Tompo tanteraka ny zava-drehetra, manomboka amin'ny isan'ny volon-dohanao ka hatramin'ny eritreritra lalina indrindra ao am-ponao. Ity fahamarinana lalina ity dia mampahatsiahy antsika fa hitany tanteraka isika ary mbola hampamoahina ny amin'ny fiainantsika indray andro any.
Mifandray akaiky amin'ny toetran'Andriamanitra mandrakizay ny Fahalalany rehetra. Ao amin’ny 1 Jaona 3:20, isika dia miatrika fanambarana lalina nefa tsotra:
“Andriamanitra… mahalala ny zavatra rehetra.”
Tsy misy zavatra tsy fantatr'Andriamanitra. Hatramin’ny bibikely madinika indrindra eto an-tany ka hatramin’ny kintana lavitra indrindra amin’ny vahindanitra, dia tsy misy zavatra tsy fantatr’Andriamanitra tanteraka.
Andriamanitra dia mahalala zavatra momba antsika izay momba ny tenantsika nefa tsy fantantsika. Araka ny nosoratako omaly, dia Fantany ny isan’ny volo eo amin’ny lohantsika tsirairay avy (jereo ny Matio 10 :30).
Fantatr'Andriamanitra ny isan'ny mponina tao Ninive (jereo ny Jona 4:11).
Fantany — ary Nofeheziny — ny fitomboan’ilay zava-maniry nanaloka an’i Jona. Fantany ihany koa — ary Nofeheziny — ny asan’ilay kankana izay nahatonga ilay zava-maniry nalazo (jereo ny Jona 4:6–7).
Ny apostoly Paoly dia nanoratra momba ireo zavatra “Izay tsy mbola hitan’ny maso, ary tsy mbola ren’ny sofina, na niditra tao am-pon’ny olona.” (1 Korintiana 2:9). Notohizany hoe:
"Dia isika no nanambaran’Andriamanitra izany tamin’ny Fanahy; fa ny Fanahy mamantatra ny zavatra rehetra, na dia ny saina lalina izay an’Andriamanitra aza.” (andininy 10)
Ny Fanahy Masina dia mitsambikina amin'ny halalin'ny lalina indrindra ary miakatra amin’ny haavo avo indrindra amin'izay rehetra taloha, dia, ny ho avy. Tsy manam-petra ny Fahalalany. Eo amin’ny fahazavan’io fahalalana tsy manam-petra io no tsy maintsy miomana isika tsirairay mba hanome tatitra ny tenantsika amin’Andriamanitra. “Ary tsy misy zavatra ary na inona na inona izay tsy miseho eo anatrehany, fa ny zavatra rehetra dia mihanjahanja sy aharihary eo imason’Izay iafaran’ny atontsika” (Hebreo 4:13).
Prayer Response
Misaotra Anao, Ray ô, fa Fantatrao tanteraka aho. Manambara aho fa tsy manam-petra ny fahalalan’Andriamanitra — tsy misy zavatra tsy Hainy. Fantatry ny Raiko izay ilaiko, na dia mbola tsy nangataka Taminy aza aho, amin’ny anaran’i Jesosy Kristy, Amena.

Misintona Maimaimpoana
Ity fampaherezam-panahy ity dia azo alaina ho sintonina, atao pirinty ary zaraina ho an'ny fampiasana manokana na am-piangonana.
Misintona PDFTeny Miafina: WD-B097-247-MLG









