Mivavaka Araka ny Sitrapon'Andriamanitra

Derek Prince
Published: 2008
Last Updated: November 2026
Read Time: 2
Ny vavaka dia mihoatra lavitra noho ny fanolorana lisitry ny zavatra ilainao fotsiny amin'Andriamanitra. Ianaro ny fomba fivavaka amim-pahatokiana feno hery izay avy amin'ny fahafantarana fa mihaino anao Izy, ary efa azonao ireo fangatahana nangatahinao taminy.
Ny vavaky ny fitalahoana dia vavaka ataontsika amin'ny fangatahana amin'Andriamanitra. Manana toerana ara-dalàna izy io, na dia kely aza, ao anatin’ny vavaka, satria fantatr’Andriamanitra izay ilaintsika alohan’ny hangatahana izany Aminy. Maro no mihevitra fa ny mivavaka dia midika hoe mankany amin’Andriamanitra miaraka amin’ny lisitry ny fiantsenanao. Tsy izany anefa no Ilainy na Takiany.
Isika rehetra dia manana zavatra ilaina, indraindray, fa raha afaka mianatra mivavaka isika, dia izay no valiny lehibe indrindra. Araka ny nolazain'i Bob Mumford namako taloha hoe: “Inona no tokony hataoko? Omena vongam-bolamena iray monja avy amin’ny toeram-pitrandrahana ny olona sa aseho azy ireo ny lalana mankany amin’ilay toeram-pitrandrahana?” Mety hivavaka ho anao aho, dia ho sitrana ianao—vongam-bolamena izany. Azoko aseho anao koa anefa ny lalana mankany amin'ny toeram-pitrandrahana. Avy eo, afaka mahazo vongam-bolamena betsaka araka izay irinao ianao.
“Ary izao no fahasahiana ananantsika eo anatrehany: Raha mangataka zavatra araka ny sitrapony isika, dia mihaino antsika Izy; ary raha fantatsika fa mihaino antsika Izy, na inona na inona no angatahintsika, dia fantatsika fa azontsika izay angatahintsika aminy”. (1 Jaona 5:14–15)
Koa, raha manana fitalahoana isika, ary mivavaka amin'ny sitrapon'Andriamanitra, dia tokony hamarana izany fitalahoana izany isika amin'ny fahafantarana fa azontsika izay nangatahintsika. Raha mivavaka araka ny sitrapon’Andriamanitra isika, dia fantatsika fa mihaino antsika Izy. Raha fantatsika fa mihaino antsika Izy, dia fantatsika fa manana izay nangatahintsika isika.
Prayer Response
Misaotra Anao, Ray ô, fa Fantatrao tanteraka aho. Manambara aho fa rehefa mivavaka araka ny sitrapon’Andriamanitra aho, dia fantatro fa mihaino ahy Izy. Ary raha fantatro fa mihaino ahy Izy, dia fantatro fa manana izay angatahiko aho. Fantatry ny Raiko izay Ilaiko, na dia mbola tsy nangataka Taminy aza aho, amin’ny anaran’i Jesosy Kristy, Amena.

Misintona Maimaimpoana
Ity fampaherezam-panahy ity dia azo alaina ho sintonina, atao pirinty ary zaraina ho an'ny fampiasana manokana na am-piangonana.
Misintona PDFTeny Miafina: WD-B097-250-MLG









