Hovakintsika eto ambany ny fijoroan’i Joba ho vavolombelona momba ny fomba fiainany. Andriamanitra Tenany mihitsy no nijoro ho vavolombelona tamin’i Joba fa lehilahy marina izy. Tena nanenika ahy ireo teny ireo ka saika tsy tafavoaka aho.

“Izay sofina nandre dia nanao ahy hoe sambatra; Ary izay maso nahita dia vavolombelana ho ahy, satria namonjy ny ory izay nitaraina aho sy ny kamboty izay tsy nanan-kamonjy. Ny fisaoran’izay efa ho faty dia tonga tamiko; Ary ny fon’ny mpitondratena nampifaliko. Nitafy fahamarinana aho, ka mba nitafy ahy kosa izy; Eny , tahaka ny lamba sy ny hamama ny rariny izay nananako. Efa maso ho an’ny jamba aho ary tongotra ho an’ny mandringa. Efa ray ho an’ny malahelo aho, ary ny adin’ny olona tsy fantatro aza nodinihiko.” (Joba 29:11–16)

Tsy mahagaga ve fa tsy azy ny fahamarinan'i Joba? Tsy misy fanamarinan-tena na aiza na aiza ao amin’ny Baiboly. Hoy i Joba, “Nitafy fahamarinana aho, dia nitafy ahy izany.” Nitafy fahamarinana izay noraisiny tamin’Andriamanitra tamin’ny finoana izy. Izany no vokatry ny fahamarinany.

Ny malahelo, ny mpitondratena, ary ny kamboty dia iharan'ny fangorahan'Andriamanitra. Ireo no olona ao an-tsain’Andriamanitra rehefa miresaka momba ny fahamarinana Izy — ny mpitondratena, ny kamboty, ny malahelo, ny jamba, ary ny mandringa. Afaka mandrefy ny halehiben’ny fahamarinan’Andriamanitra ao amintsika isika amin’ny fijerena ny fomba ifandraisantsika amin’ireo karazan’olona ireo.