Ny Fanahin’ny Fananganan-anaka

Derek Prince
Published: 2008
Last Updated: November 2026
Read Time: 2
Tsy fanahin'ny fanandevozana ho amin'ny tahotra no noraisinareo, fa ny Fanahin'ny fananganan-anaka, izay mampahatanjaka anareo hiantso an'Andriamanitra hoe "Abba, Ray." Ny fitarihan'ny Fanahy Masina dia manafaka anareo amin'ny lalàna ary mitondra anareo ho amin'ny fahamatoran'ny maha-zanaka atosiky ny fitiavana.
“Fa izay tarihin’ny Fanahin’Andriamanitra no zanak’Andriamanitra. Fa tsy nandray ny fanahim-pahandevozana [fanandevozana] ho amin’ny tahotra indray hianareo, fa nandray ny fanahin’ny zanaka natsangana, izay iantsoantsika hoe: Aba, Ray ô.” (Romana 8:14–15).
Aba dia teny Aramianina na Hebreo fampiasa matetika ho an’ny “dada”. Ao amin’ny Isiraely, ny zaza kely dia hiantso ny rainy hoe, “Aba”. Ary satria nandray ny Fanahin'ny fananganan'anaka isika, dia manana zo hiantso an'Andriamanitra hoe Aba. Ray. Dada.
Nilaza tamintsika i Paoly fa manana safidy roa isika. Afaka tarihin’ny Fanahin’Andriamanitra isika, na mety ho eo ambanin’ny fanahin’ny fanandevozana. Ny fanahin'ny fanandevozana dia mahatonga antsika hatahotra ny sazy; ny Fanahin’ny fananganan’anaka no mitarika antsika ho zanak’Andriamanitra.
Ny teny Grika nadika hoe zanaka dia midika hoe “zanaka lahy matotra”. Rehefa nateraka indray tamin’ny Fanahin’Andriamanitra ianao, dia lasa zaza. Saingy rehefa tarihina ianao dia lasa zanaka lahy na zanaka vavin'Andriamanitra matotra. Ny lalana mankany amin’ny fahamatorana dia tarihin’ny Fanahy Masina, tsy voafatotry ny fanahin’ny fanandevozana intsony. Araka ny nosoratan’i Paoly ao amin’ny Galatiana 5:18:
"Fa raha tarihin'ny Fanahy hianareo, dia tsy mba ambanin'ny lalàna."
Mba hahatongavana ho zanaka lahy na zanaka vavin'Andriamanitra matotra, dia tsy maintsy tarihin'ny Fanahy ianao. Tadidio anefa, fa raha tarihin’ny Fanahy Masina, ianao dia tsy ambanin’ny lalàna. Izany no fahafahantsika — tsy fahafahana manao ratsy, fa fahafahana mitia. Ny antony manosika antsika hanao fanompoana ho an’i Jesosy dia ny fitiavana, ilay mpanentana mahery indrindra eran-tany. Mandaitra izany rehefa tsy mahomby ny tahotra. Izany no fitondran’Andriamanitra antsika. Izany no mahatonga antsika ho zanaka lahy sy zanaka vavin’Andriamanitra matotra. Izany no vokatry ny fanafahana avy amin'ny lalàna.
Prayer Response
Misaotra Anao, Ray ô, fa Zanakao aho. Manambara aho fa tsy voafatotra eo ambanin’ny fanahin’ny fanandevozana intsony aho. Efa nandray ny Fanahin’ny Fananganan’anaka aho. Nandray ny Fanahin’ny maha-zanaka aho, ary amin’ny Alalany, no iantsoako hoe, “Aba, Ray”, amin’ny anaran’i Jesosy Kristy, Amena.

Misintona Maimaimpoana
Ity fampaherezam-panahy ity dia azo alaina ho sintonina, atao pirinty ary zaraina ho an'ny fampiasana manokana na am-piangonana.
Misintona PDFTeny Miafina: WD-B097-260-MLG









