Tarihin'ny Fanahy

Derek Prince
Published: 2008
Last Updated: November 2026
Read Time: 2
Tsy mila ho tena ara-panahy fatratra ianao vao ho tonga zanak'Andriamanitra; ny hany ilainao dia ny ho tarihin'ny Fanahiny. Ity fifandraisana mitohy ity dia mampisolo ny fanandevozan'ny lalàna amin'ny fahatokiana ny maha-zanaka natsangana sy lova be voninahitra ao amin'i Kristy.
Misy fampianarana malaza izay mandresy lahatra ny olona fa tsy maintsy ho ambony noho ny ara-panahy izy ireo vao ho raisina ho zanak'Andriamanitra. Saingy nanohitra izany hevitra izany i Paoly ao amin’ny Romana toko faha-valo, izay nanoratra fa izay rehetra tarihin’ny Fanahy Masina tsy tapaka dia zanak’Andriamanitra tokoa. “Fa izay tarihin’ny Fanahin’Andriamanitra no zanak’Andriamanitra.” (Romana 8:14). Amin'ny lafiny iray, raha efa tonga lafatra ianao dia tsy mila ny Fanahy Masina. Mila ny Fanahy Masina, anefa ianao, raha te ho tonga lafatra.
Ny fomba hiainana amin'ny maha-tena zanaka lahy na zanaka vavin'Andriamanitra dia ny hoe tarihan'ny Fanahy Masina tsy tapaka. Hoy i Jesosy:
"Ny ondriko mihaino ny feoko, … ary izy manaraka Ahy" (Jaona 10:27)
Ny tian'i Jesosy holazaina amin'ny hoe "mihaino", dia mihaino tsy tapaka, manaraka tsy tapaka. Tsy dingana miakatra sy midina izany, indray mandeha isan-kerinandro; fa fifandraisana tsy tapaka, mitohy izany.
Notohizan’i Paoly ao amin’ny Romana 8:15:
“Fa tsy nandray ny fanahim-pahandevozana ho amin’ny tahotra indray hianareo, fa nandray ny fanahin’ny zanaka natsangana, izay iantsoantsika hoe: ‘Aba, Ray ô.’”
Ny “fanahin’ny fanandevozana”, dia tsotra indrindra, dia ny lalàna. Raha tokony ho voafatotry ny lalàna ianao, dia nandray ny Fanahin’Andriamanitra, izay manome toky anao ny maha-zanak’Andriamanitra anao. Amin’ny maha-zanak’Andriamanitra anao, dia manana ny zo rehetra amin’ny lova ianao. Nanome toky antsika i Paoly hoe:
“Ny Fanahy dia miara-milaza amin’ny fanahintsika [nateraka indray] fa zanak’Andriamanitra isika. Ary raha zanaka, dia mpandova [lova no foto-kevitra]; eny, sady mpandova an’Andriamanitra no mpiray lova amin’i Kristy koa” (andininy 16–17)
Maro ny olona mahazo antoka fa zanak'Andriamanitra rehefa atao batisa amin'ny Fanahy Masina irery ihany. Tonga ny Fanahy Masina mba hanome toky anao fa zanak’Andriamanitra ianao ary manana zo ara-dalàna amin’ny lovanao. Tsy teraka fotsiny ianao, fa natsangana koa, ary io andalana io dia mampifandray mazava ny fananganan’anaka sy ny lova.
Prayer Response
Misaotra Anao, Ray ô, fa Zanakao aho. Manambara aho fa zanak’Andriamanitra aho, manana ny zo rehetra amin’ny lova. Nandray ny Fanahin’ny maha-zanaka aho, ary amin’ny Alalany, no iantsoako hoe, “Aba, Ray”, amin’ny anaran’i Jesosy Kristy, Amena.

Misintona Maimaimpoana
Ity fampaherezam-panahy ity dia azo alaina ho sintonina, atao pirinty ary zaraina ho an'ny fampiasana manokana na am-piangonana.
Misintona PDFTeny Miafina: WD-B097-262-MLG









