Mandroso Mankany amin'ny Pentekosta

Derek Prince
Published: 2008
Last Updated: November 2026
Read Time: 1
Ny fanafahana ara-tantara an'i Isiraely avy tany Ejipta dia mampiharihary safidy lehibe atrehin'ny mpino tsirairay rehefa avy tonga teo amin'ny Hazofijaliana. Azonao atao ny miverina amin'ny Lalàna izay mitondra fanahim-pahatahorana, na mandray ny Fanahy Masina Izay manamafy am-pifaliana fa zanak'Andriamanitra ianao.
"Ny Fanahy dia miara-milaza amin’ny fanahintsika fa zanak’Andriamanitra isika." (Romana 8:16)
Mamelà ahy hanasongadina zava-misy tsotra iray, sy manan-tantara— fanatsoahan-kevitra izay nahatonga ny ankamaroan’ny manam-pahaizana momba ny Baiboly. Misy fifandraisana mivantana amin’ny vanim-potoana teo amin’ny fanafahana ny Isiraely tany Egypta sy ny zavatra tena niainan’ny Kristiana voalohany.
Ny famonoana ny zanak’ondrin’ny Paska dia mifanitsy amin’ny andro izay nahafatesan’i Jesosy.
Ny fiampitana ny Ranomasina Mena dia mifanitsy amin’ny nitsanganan’i Jesosy tamin’ny maty avy tao am-pasana.
Ny fandraisana ny Lalàna teo amin’ny Tendrombohitra Sinay, dimampolo andro taorian’ny Paska, dia mifanitsy amin’ny nilatsahan’ny Fanahy tamin’ny Pentekosta.
Marihiko izany satria rehefa nafahana tamin'ny ra sy tamin'ny nitsanganan'i Jesosy tamin'ny maty, ianao dia manana safidy roa: afaka mankany Sinay ianao, na afaka mankamin'ny Pentekosta. Betsaka ny olona mankany Sinay — miverina eo ambanin'ny lalàna izy ireo. “Fa nandray ny fanahim-pahandevozana ho amin’ny tahotra indray” izy ireo (andininy 15). Hoy anefa i Paoly, raha ny tena izy: “Fa tsy nandray ny fanahim-pahandevozana ho amin’ny tahotra indray hianareo, fa nandray ny fanahin’ny zanaka natsangana. Ny Fanahy dia miara-milaza amin’ny Fanahintsika fa zanak’Andriamanitra isika."
Prayer Response
Misaotra Anao, Ray ô, fa Zanakao aho. Manambara aho fa tsy nandray fanahim-panandevozana ho amin’ny tahotra indray aho, fa fanahin’ny fananganan’anaka, izay milaza amiko fa zanak’Andriamanitra aho. Nandray ny Fanahin’ny maha-zanaka aho, ary amin’ny Alalany, no iantsoako hoe, “Aba, Ray”, amin’ny anaran’i Jesosy Kristy, Amena.

Misintona Maimaimpoana
Ity fampaherezam-panahy ity dia azo alaina ho sintonina, atao pirinty ary zaraina ho an'ny fampiasana manokana na am-piangonana.
Misintona PDFTeny Miafina: WD-B097-263-MLG









