Mijaly sy Manjaka

Derek Prince
Published: 2008
Last Updated: November 2026
Read Time: 2
Ny fampanantenana hiara-manjaka amin’i Kristy dia tsy azo sarahina amin’ny zava-misy marina momba ny fiaraha-mijaly Aminy ety an-tany. Jereo ny fomba anehoan’ny tandindona kanton’ny loko volomparasy ny tena dikan’ny hoe mandray anjara amin’ny fijaliany sy ny voninahiny.
Nanoratra toy izao i Paoly ao amin’ny Romana 8:18, “Fa ataoko fa ny fahoriana amin’izao andro ankehitriny izao dia tsy tokony hoharina amin’ny voninahitra izay haseho amintsika.” Raha te hiara-manjaka amin’i Kristy isika, dia tsy maintsy miomana hijaly. Izao no vakintsika ao amin’ny 2 Timoty:
"Mahatoky izao teny izao: Fa raha miara-maty aminy isika, dia hiara-belona aminy koa; raha miaritra [mijaly] isika, dia hiara-manjaka aminy; raha mandà Azy isika, Izy kosa handa antsika; fa na dia tsy matoky Azy aza isika, dia mbola mahatoky ihany Izy, fa tsy mahazo mandà ny tenany.” (2 Timoty 2:11–13)
Ka dia hitantsika, fa raha mijaly isika, dia hanjaka isika; fa raha mandà an’i Jesosy Kristy isika, dia handà antsika Izy. Tonga ny fotoana eo amin’ny fiainantsika izay ahazoantsika fanamby hoe hiara-hijaly Aminy na handà Azy, ary apetraka mazava eo anoloantsika ireo olana ireo (jereo, ohatra, ny Asan’ny Apostoly 14:22; Filipiana 1:29–30; 2 Tesaloniana 1:4–10).
Manana sary mahafinaritra tiako hazavaina aminao aho. Avy amin’ny tabernakely izy io, ary mahakasika ny loko telo lehibe indrindra, indrindra fa ny akanjon’ny mpisoronabe: manga, sy volomparasy, ary mena midorehitra. Ny manga dia karazana loko any an-danitra; ny mena midorehitra dia karazana toetran'olombelona, ary koa ny ra; ary ny volomparasy no fampifangaroana tsara ny manga sy ny mena midorehitra, izay milaza an’i Kristy ho Andriamanitra tonga nofo. Ny mangan’ny lanitra sy ny mena midorehitry ny tany dia mitambatra ho volomparasy. Sarin’ny toetran’i Jesosy Kristy mahafinaritra izy io — Andriamanitra sy ny olona, mitambatra tsara amin’ny loko vaovao.
Ny dikan'ny volomparasy ao amin'ny Soratra Masina dia roa sosona: midika ny maha mpanjaka sy fijaliana. Tsy afaka mitafy volomparasy ao amin’ny fanjakana ianao raha tsy mitondra an’izany eto an-tany amin’ny Alalan’ny fijaliana. Raha mijaly isika, dia hanjaka.
Prayer Response
Misaotra Anao, Ray ô, fa Zanakao aho. Manambara aho fa raha miaritra fijaliana aho, dia hiara-manjaka Aminao koa. Nandray ny Fanahin’ny maha-zanaka aho, ary amin’ny Alalany, no iantsoako hoe,“Aba, Ray”, amin’ny anaran’i Jesosy Kristy, Amena.

Misintona Maimaimpoana
Ity fampaherezam-panahy ity dia azo alaina ho sintonina, atao pirinty ary zaraina ho an'ny fampiasana manokana na am-piangonana.
Misintona PDFTeny Miafina: WD-B097-264-MLG









