Ny Maha-Ray Mandrakizay an'Andriamanitra

Derek Prince
Published: 2008
Last Updated: November 2026
Read Time: 2
Ny maha-ray eto an-tany dia manana ny tena loharanony ao amin'ny maha-Ray mandrakizay an'Andriamanitra. Ato amin'ity boky fandinihana ity, ny Efesiana sy ny tenin'i Jesosy ao amin'ny Jaona dia mampahafantatra an'Andriamanitra ho Ray mandrakizay, izay manana ny fonenany any an-danitra ho fianakaviana.
Andao hojerentsika akaiky ny fifandraisan’ny Ray amin’ny Zanany:
“Ary noho izany no andohalehako amin’ny Ray, Izay ahazoan’ny fianakaviana rehetra any an-danitra sy ety an-tany anarana.” (Efesiana 3:14–15)
Ny fandikan-tenin’i J. B. Phillips amin’ny andininy faha-15 dia mivaky toy izao: “Avy amin’Andriamanitra no iavian’ny anarana rehetra maha-ray, na eto an-tany na any an-danitra.” Ity andininy ity dia mirakitra fanambarana lehibe iray — fa ny maha-Ray an’Andriamanitra dia mandrakizay, nomena io anarana io araka ny maha-Ray an’Andriamanitra any an-danitra ary mahazo ny fahamasinana sy ny fahefana amin’ny fandefasana izany eto an-tany avy amin’ilay masina, mandrakizay ny maha-ray an’Andriamanitra any an-danitra.
Talohan'ny nisian'ny famoronana, dia efa Ray Andriamanitra — dia ny Rain'i Jesosy Kristy Tompontsika. Io fifandraisan’ny maha-ray sy ny maha-zanaka ao anatin’ny maha-Andriamanitra io dia mandrakizay. Talohan’ny namoronana ny zava-boary dia Ray mandrakizay Andriamanitra ary Zanany mandrakizay Kristy. Ny maha-ray rehetra eo amin'ny zava-boary dia nomena anarana araka ny maha-ray mandrakizay an'Andriamanitra.
Tao amin’ny andininy mahazatra ao amin’ny filazantsaran’i Jaona, dia nilaza i Jesosy hoe:
“Ao an-tranon’ny Raiko misy fitoerana maro” (Jaona 14:2)
Ity andininy ity dia manambara fa Andriamanitra dia Ray, ary manana trano Izy. Ao amin’ny Soratra Masina, anefa, ny teny hoe trano dia tsy ampiasaina voalohany indrindra hilazana trano azo tsapain-tanana, trano materialy. Fa, ampiasaina amin'ny fianakaviana sy ny trano misy azy mandrakariva. Rehefa nilaza i Jesosy hoe: “Ao an-tranon’ny Raiko”, dia niresaka momba ny fianakavian’Andriamanitra any an-danitra Izy. Andriamanitra dia Ray mandrakizay, ary ny fiainam-pianakaviana dia avy amin'ny mandrakizay ao amin'ny fifandraisan'ny ray ̸ zanaka ao anatin' ny Andriamanitra.

Misintona Maimaimpoana
Ity fampaherezam-panahy ity dia azo alaina ho sintonina, atao pirinty ary zaraina ho an'ny fampiasana manokana na am-piangonana.
Misintona PDFTeny Miafina: WD-B097-266-MLG









