Ny Fofonain'ny Fiainana

Derek Prince
Published: 2008
Last Updated: November 2026
Read Time: 2
Ny namoronan’Andriamanitra ny olombelona dia asa tena manokana tokoa, natao ho amin’ny firaisana akaiky Aminy. Jereo ny fomba niondrehan’ny Tompo sy ny nitsofany tamin-kery ny fiainany masina tao anatin’ny endrika tanimanga, asa izay tsy mitovy amin’ny hafa rehetra teo amin’ny zavaboary rehetra.
Ao amin’ny Genesisy 2:7, dia mamaky ny tantaran’ny famoronana ny olona isika. Andriamanitra manokana dia namorona olona manokana ho an'ny fiombonana manokana amin'ny Tenany. Eto, dia ny Olona mankany amin'ny olona izany. Tsy famintinana an-kevitra izany. Tsy hery mifono misy tery miasa eo amin’izao rehetra izao izy io, fa Olona iray namorona olona iray hafa mba hifandray amin’io olona io. Amiko, izany dia mampiseho mazava tsara fa ny antony iray lehibe namoronan’Andriamanitra ny olombelona dia ny hankafy hiombona aminy.
Alaivo sary an-tsaina ny zava-niseho! Nandohalika ny Tompo, naka vovoka teny an-Tanany, nafangarony tamin’ny rano, ary novolavolainy ho vatan’olona. Tsy nisy aina anefa ilay izy! Avy eo,nisy zava-mahagaga nitranga . Niondrika nandroso ny Mpahary, nametraka ny Molony masina tamin’ny molotra tanimanga, nanindry ny Vavorony masina tamin’ny vavoron’ny tanimanga, ary nanisy aina tao anatiny. Niditra tao amin’ny endriky ny tanimanga ny Fofonainy ka nanova azy ho olombelona velona miaraka amin’ny taova rehetra ao amin’ny vatany miasa tsara, ary miaraka amin’ireo famaliana mahagaga rehetra ara-panahy, ara-tsaina, ary ara-pihetseham-po izay azon’ny olombelona iray atao. Tsy mbola nisy zava-mananaina hafa noforonina tahaka izany.
Ny teny ampiasaina hilazana io fahagagana io dia tena mazava. Ny teny Hebreo dia fiteny iray izay ahitana ny feon’ny teny sasany mifandray mivantana amin’ny asa ataony. Azo adika hoe yip-pach ny feon’ilay teny Hebreo nadika hoe “mifoka rivotra”. Ahitana “fipoahana” kely, ao anatin’izy io, arahin’ny famoahana rivotra mahery, sy mitohy avy ao amin’ny tenda. Noho izany, dia maneho mazava tsara ny asa ataony.
Raha niondrika teo ambonin'ny molotra sy ny vavoron'ny tanimanga ny Tompo, dia tsy nisento moramora Izy. Namoaka fofonaina mahery mankany amin’io vatana tanimanga io izy, izay nahazo fanomezana mahagaga ny amin’ny tena fiainan’Andriamanitra.
Prayer Response
Misaotra Anao, Tompo ô, noho ny Asanao ato amiko. Manambara aho fa te-hifaly amin’ny fiombonana amiko ny Tompo, ary nanome fofonain’ny Fiainany ahy Izy. Ny Raiko no nanao ahy, amin’ny anaran’i Jesosy Kristy, Amena.

Misintona Maimaimpoana
Ity fampaherezam-panahy ity dia azo alaina ho sintonina, atao pirinty ary zaraina ho an'ny fampiasana manokana na am-piangonana.
Misintona PDFTeny Miafina: WD-B097-268-MLG









