Fanolorana ny Rantsambatantsika

Derek Prince
Published: 2008
Last Updated: November 2026
Read Time: 1
Manana fikasana lalina ho an’ny tenanao ara-batana Andriamanitra, ary miantso anao hanolotra izany ho fitaovana ho an’ny fahamarinany. Rehefa manolo-tena tanteraka amin’ny sitrapony ianao, dia tonga tempoly masina ho an’ny Fanahy Masina ny tenanao, ary mandray ny andraikitra feno amin’ny hahasoa anao Andriamanitra.
Aoka isika handinika ny fikasan'Andriamanitra momba ny vatan'olombelona. Ny ratsam-batan-tsika dia tokony ho mpanompo, na fitaovana, amin’ny fahamarinana. Voalohany, maka ny toeram-Ponenany ny Fanahy Masina; dia lasa fitaovana ho Azy ny vatantsika.
"Miteny araka ny fanaon’ny olona aho noho ny fahalemen’ny nofonareo; fa tahaka ny nanoloranareo ny momba ny tenanareo [rantsam-batana] ho mpanompon’ny fahalotoana sy ny tsi-fanarahan-dalàna hahatanteraka ny tsy fanarahan-dalana, dia mba atolory ankehitriny toy izany koa ny momba ny tenanareo ho mpanompon’ny fahamarinana hahatanteraka ny fahamasinana.” (Romana 6:19)
Ny fandaharan'Andriamanitra ho an'ny rantsam-batan-tsika dia ny hanolorana azy ireo ho Mpanompony, vonona hanao ny Sitrapony na inona na inona. Ny Romana 6:13 dia milaza amintsika mba hanolotra ny rantsam-batan-tsika ho “fitaovan’ny fahamarinana”. Rehefa atolotra an’Andriamanitra tsy misy fisalasalana, ny tenantsika dia lasa nohamasina sy tempolin’ny Fanahy Masina mendrika.
Rehefa atolotra Azy tsy misy fisalasalana ny momba ny tenantsika, ho mpanompo na ho fitaovana hanaovana ny Sitrapony, dia hoy Andriamanitra: “Eny, satria Ahy ilay vatana, dia ho ekeko ho andraikitra feno amin'ny fikojakojana azy sy izay hahasoa azy, na amin’izao fiainana izao na any amin’ny ho avy.”
Prayer Response
Misaotra Anao, Tompo ô, noho ny Asanao ato amiko. Manambara aho ankehitriny fa manolotra ny tenako ho an’Andriamanitra, tsy misy fisalasalana, mba ho tempolin’ny Fanahy Masina ary nohamasinina sy mendrika. Ny Raiko no nanao ahy, amin’ny anaran’i Jesosy Kristy, Amena.

Misintona Maimaimpoana
Ity fampaherezam-panahy ity dia azo alaina ho sintonina, atao pirinty ary zaraina ho an'ny fampiasana manokana na am-piangonana.
Misintona PDFTeny Miafina: WD-B097-272-MLG









