Napetraka teo ambonin'ny Alitara

Derek Prince
Published: 2008
Last Updated: November 2026
Read Time: 2
Rehefa apetrakao eo amin'ny alitaran'Andriamanitra ny fiainanao, dia tsy anao intsony izany fa Azy. Ity fanoloran-tena tanteraka ity dia mety ho toa mampatahotra, nefa izany no hany fomba hahafantarana ireo zavatra mahagaga tiany hatao amin'ny fiainanao.
Ao amin'ny Romana 12:1, Paoly dia nanome toromarika antsika mba hanao sorona ny tenantsika raha mbola velona isika:
"Koa amin’izany mangataka aminareo aho, ry rahalahy, noho ny famindrampon’Andriamanitra, mba hatolotrareo ny tenanareo ho fanatitra velona, masina, sitrak’Andriamanitra, dia fanompoam-panahy mety hataonareo izany."
Raha manolotra ny tenanao ho sorona velona ho an'Andriamanitra ianao, dia tsy milaza ho tompon'ny tenanao intsony ianao. Tsy manapa-kevitra intsony ianao hoe ho aiza ny tenanao. Tsy manapa-kevitra intsony ianao hoe hanao inona ny tenanao. Tsy manapa-kevitra intsony ianao hoe inona no hohanin’ny tenanao na izay hotafiny. Nafoinao ny zo hanao ireo fanapahan-kevitra ireo. Manomboka izao, dia tsy anao intsony ny tenanareo — fa an'Andriamanitra. Efa nataonao ho fanatitra izany, velona, ho Azy eo ambonin’ny Alitarany.
Na inona na inona apetraka eo amin'ny alitaran'Andriamanitra dia an'Andriamanitra manomboka amin’izany teboka izany. Tsy an’ilay nanome azy intsony. Izany no takian’Andriamanitra : ny hanaovantsika sorona ny tenantsika, tahaka ny nanaovan’i Jesosy sorona ny Tenany. Ny maha-samihafa azy dia Jesosy nanao sorona ny Tenany tamin’ny alalan’ny fahafatesana, raha asaina manao sorona ny tenantsika isika raha mbola velona isika — mba hanolotra azy ireo amin’Andriamanitra, mba hahafoy ny zo-tsika sy ny fitakiantsika azy ireo.
Ankehitriny, mety ho mampatahotra tokoa izany hevitra izany. Saingy te-hilaza aminao aho fa tena mampientam-po izany.Nefa Andriamanitra dia manana hevitra isan-karazany momba izay Hataony aminao sy ny tenanao. Saingy tsy hilaza aminao Izy mandram-paha Azy ny tenanao. Tsy maintsy manolotra ny tenanao Aminy aloha ianao, dia ho azonao izay tokony hatao amin’izany.
Prayer Response
Misaotra Anao, Tompo ô, noho ny Asanao ato amiko. Manambara aho fa ankehitriny dia mametraka ny tenako ho sorona velona eo amin’ny alitaran’Andriamanitra aho. Tsy ahy intsony izany, fa an’Andriamanitra. Ny Raiko no nanao ahy, amin’ny anaran’i Jesosy Kristy, Amena.

Misintona Maimaimpoana
Ity fampaherezam-panahy ity dia azo alaina ho sintonina, atao pirinty ary zaraina ho an'ny fampiasana manokana na am-piangonana.
Misintona PDFTeny Miafina: WD-B097-273-MLG









