Mampahatsiahy ny Tompo

Derek Prince
Published: 2008
Last Updated: November 2026
Read Time: 2
Ny Tompo dia miantso ny olony ho mpiambina izay tsy manome fitsaharana Azy mandra-panatanterany ny fampanantenany ho an'i Jerosalema. Ity andraikitra lehibe ity dia toy ny hoe mpitan-tsoratry ny Tompo, voatendry hampahatsiahy Azy ny amin'ireo fanekena nataony ao amin'ny tetiandro ara-paminaniana Azy manokana.
Ao amin'ny Isaia 62, Andriamanitra dia miantso antsika, hivavaka mafy, sy maharitra indrindra ho an'i Jerosalema:
"Efa nanendry mpiambina ho eny ambonin'ny mandanao Aho, ry Jerosalema ô, koa mandrakariva na andro na alina dia tsy mahazo mangina ireny; eny, hianareo izay mpampahatsiaro an'i Jehovah, aza mitsahatra; Ary aza mamela Azy hitsahatra mandra-panaony an'i Jerosalema ho mafy orina sy hoderaina amin'ny tany.” (Isaia 62:6–7)
Ao amin’ny Testamenta Vaovao, Jesosy dia nitantara ny fanoharana momba ny mpitsara tsy marina, izay nitalahoan’ny mpitondratena iray tsy an-kijanona. Namarana ity fanontaniana ity i Jesosy:
"Fa Andriamanitra tsy hanome rariny ny olom-boafidiny va, izay mitaraina aminy andro aman-alina?" (Lioka 18:7)
Ireo andalan-tsoratra roa ireo dia manondro fa ny lohahevitra sasany dia tena zava-dehibe sy maika ka mitaky ny vavaka ataontsika tsy amin'ny andro atoandro ihany,eny, fa mandritra ny ora alina koa. Iray amin’ireo lohahevitra ireo ny famerenana amin’ny laoniny an’i Jerosalema.
Ny Isaia mpaminany koa dia nilaza fa ireo “mpiambina” ireo dia ireo “ izay miantso an’i Jehovah”. Mahaliana ny hevitry ny teny Hebreo nadika hoe “miantso” amin’ny teny Hebreo. Midika hoe “ ireo izay mampahatsiahy an’i Jehovah” izany. Amin’ny teny Hebreo maoderina, dia teny ilazana ny mpitan-tsoratra izy io. Ny asa lehibe iray ataon'ny mpitan-tsoratra dia mampahatsiahy ny mpampiasa ny fotoana voarakitra ao amin'ny kalandrieny. Izany dia manome fahatakarana azo ampiharina momba ny fomba tian’Andriamanitra hivavahantsika ho an’i Jerosalema. Amin’ny maha “mpitan-Tsoratrany-mpanelanelany,” antsika dia manana andraikitra roa lehibe isika: voalohany, ny mahafantatra ny kalandrie ara-Paminaniana; faharoa, ny hampahatsiahy Azy ireo fanendrena voarakitra ao. Ny iray amin'izany fotoana izany dia ny fanoloran-tenan'Andriamanitra amin'ny andro farany hamerenana amin'ny laoniny ny Isiraely sy ny fanorenana indray an'i Jerosalema.
Prayer Response
Misaotra Anao, Tompo ô, noho ny amin’ny fitahiana Nampanantenainao ho an’ireo izay tia an’i Isiraely. Manambara aho fa hampahatsiahy an’i Jehovah aho “mandra-Panaony an’i Jerosalema sy hanao azy ho fiderana amin’ny tany”. Mivavaka ho an'ny fiadanan'i Jerosalema aho: "Hambinina anie izay tia anao," amin’ny anaran’i Jesosy Kristy, Amena.

Misintona Maimaimpoana
Ity fampaherezam-panahy ity dia azo alaina ho sintonina, atao pirinty ary zaraina ho an'ny fampiasana manokana na am-piangonana.
Misintona PDFTeny Miafina: WD-B097-277-MLG









