Ny Tompo, Mpanasitrana antsika

Derek Prince
Published: 2008
Last Updated: November 2026
Read Time: 2
Rehefa nanavotra an'i Israely Andriamanitra, dia nampahafantatra ny Tenany ho Mpanasitrana azy ireo Izy, izay ampahany tsy miova amin'ny fanekempihavanany tamin'ny olony. Izany hery fanasitranana izany koa dia mbola misy ho antsika ankehitriny rehefa mitady Azy amin'ny alalan'ny Teniny isika.
Taorian'ny nanavotan'Andriamanitra voalohany an'i Isiraely avy tany Egypta sy ny nahatongavan'ny Isiraelita ho vahoaka Navotany sy vahoaka Nekeny, ny fanambarana manokana voalohany momba ny Tenany izay Nomeny azy ireo dia ny hoe mpanasitrana. Io toetra io dia voalaza ao amin’ny Eksodosy 15:26, izay nilazan’ny Tompo tamin’ny Isiraely hoe:
“Fa Izaho no Jehovah Izay mahasitrana anao.”
Ny teny hoe “mpanasitrana anao,” amin’ny teny Hebreo moderina, dia midika hoe “mpitsabo anao”. Ny teny ampiasaina ao amin’ny Eksodosy 15:26 dia mitovy tanteraka amin’ny teny Hebreo moderina ilazana ny mpitsabo. Tsy niova ny heviny tao anatin’ny telo arivo taona mahery tamin’ny tantaran’ny teny Hebreo. Hoy ny Tompo tamin’ny Isiraely tamin’ny fomba hentitra hoe: “Izaho no mpitsabo anao.”
Zavatra roa tsy miova dia ny anaran'ny Tompo sy ny faneken'ny Tompo. Ny toeran’ny Tompo sy ny asa amin’ny maha-mpanasitrana ny Olony azy dia miray amin’ny Anarany sy ny Fanekeny. Amin’ny teny hafa dia hoe, tsy miova mihitsy.
Taonjato maro taty aoriana, rehefa tonga teo amin’ny Isiraely i Jesosy ho Mpamonjy sy Mpanavotra azy, ka nahatanteraka ny teny fampanantenan’ny Mesia, dia Nasehony indray Andriamanitra ho mpanasitrana ny Olony. Ny asa fanasitranana nataon’i Jesosy dia tsy avy amin’ny Tenany — tsy niantomboka Taminy — fa fanehoana ny toetran’Andriamanitra manasitrana sy ny fanekem-panasitranan’Andriamanitra tamin’ny Olony. Ny fototry ny famatsian’Andriamanitra fanasitranana sy ny fahasalamana ho an’ny Olony dia ny Teniny, ny Soratra Masina.
Zava-dehibe tokoa ny mahita fa ny valintenin’Andriamanitra amin’izay ilaintsika dia ao amin’ny Teniny indrindra indrindra! Raha tsy miraharaha ny Teniny isika, dia tena tsy manan-jo hanantena isika fa hanome izay ilaintsika Izy. Raha mitodika any amin’ny Teniny anefa isika ka mitady Azy amin’ny alalan’izany, dia ho hitantsika fa ao amin’ny Teniny, dia mahafeno izay ilaintsika rehetra Izy — ara-panahy sy ara-batana.
Prayer Response
Misaotra Anao, Tompo ô, noho ny amin’ny fitahiana Nampanantenainao ho an’ireo izay tia an’Isiraely. Manambara aho fa ny toeran’ny Tompo sy ny asa amin’ny maha-Mpanasitrana ny Olony dia miray amin’ny Anarany sy ny Fanekeny. Mivavaka ho an'ny fiadanan'i Jerosalema aho: "Hambinina anie izay tia anao," amin’ny anaran’i Jesosy Kristy, Amena.

Misintona Maimaimpoana
Ity fampaherezam-panahy ity dia azo alaina ho sintonina, atao pirinty ary zaraina ho an'ny fampiasana manokana na am-piangonana.
Misintona PDFTeny Miafina: WD-B097-279-MLG









