Mino sy Miditra

Derek Prince
Published: 2008
Last Updated: November 2026
Read Time: 2
Ny Baiboly dia manambara fitsaharana lalina avy amin’Andriamanitra izay natokana ho an’ireo izay efa nametraka ny finoany Aminy ihany. Tsy fitsaharana amin’ny faharerahana izany, fa fahafahana avy amin’Andriamanitra hitsahatra amin’ny asantsika manokana sy hahitana tena fahafinaretana tokoa, tahaka ny nitsaharan’Andriamanitra rehefa vita ny asany tamin’ny Famoronana.
“Fa isika izay nino no miditra amin’izany fitsaharana izany, araka ny voalazany, nalaina tao amin’ny Salamo 95 hoe: “Toy ny nianianako tamin’ny fahatezerako hoe: Tsy hiditra amin’ny fitsaharako mihitsy izy”, na dia vita hatramin’ny nanorenana izao tontolo izao aza ny asa. Fa nilaza ny andro fahafito Izy eo amin’ny teny anankiray araka izao: “Ary Andriamanitra nitsahatra tamin’ny asany rehetra tamin’ny andro fahafito.” Ary amin’izao koa: “Tsy hiditra amin’ny fitsaharako mihitsy izy.’” (Hebreo 4:3–5)
Ao amin'io andalana io, ny hoe "nino" dia ao anatin'ny vanim-potoana lasa; "miditra" anatin'ny vanim-potoana ankehitriny. Mialohan’ny ahafahantsika miditra amin’ny fitsaharan’Andriamanitra dia tsy maintsy efa nino isika. Tsy finoana intsony isika; zavatra atao indray mandeha izany. Efa nandray ny fanapahan-kevitra isika, ary, noho izany, dia afaka miditra amin’ny fitsaharana isika. Ireo izay tsy maintsy manapa-kevitra lalandava ny hino vaovao indray dia tsy mendrika ny hiditra amin’ny fitsaharana. Isika izay nino ihany no hiditra amin'ny fitsaharana.
Manaraka an'io lohahevitra momba ny fitsaharana io, andao hitodika kely ao amin'ny Testamenta Taloha. Hoy ny Genesisy 2:2:
"Ary tamin'ny andro fahafito dia vitan'Andriamanitra ny asa efa nataony; ary dia nitsahatra tamin'ny andro fahafito Izy tamin'ny asany rehetra izay efa nataony."
Ny fitsaharan'Andriamanitra dia fitsaharana amin'ny asa rehetra Nataony. Mino aho fa tsy nitsahatra Andriamanitra satria reraka Izy. Fa kosa, faly Izy tamin'ny fialan-tsasatra. Nipetraka izy, nijery izay rehetra Nataony, ary naka fotoana hankafizana izany.
Firy amintsika no naka fotoana hankafy ny zavatra vitantsika na nataontsika? Ankehitriny, amin'ny fotoana nanaovany zavatra, ny ankamaroan'ny olona dia sahirana amin'ny fanombohana ny zavatra manaraka. Ny lamina naorin’Andriamanitra, anefa dia, ny maka fotoana hankafizana izay rehetra ataonao rehefa vitanao izany. Na inon’inona mety ho nataonao, dia araka an’Andriamanitra ny miala sasatra sy mankafy izany. Raha ny marina, ny fahafahana miala sasatra dia fahaizana masina.
Prayer Response
Misaotra Anao, Tompo ô, noho ny amin’ny teny fampanantenana fidirana amin’ny Fitsaharanao. Manambara aho fa iray amin’ireo fahafinaretana tian’Andriamanitra hozaraina ny Fitsaharany — Tiany hiditra amin’ny fitsaharana Nidirany aho. Noho izany, hatahotra aho fandrao tsy hahatratra ny fitsaharako ao amin'i Kristy, amin’ny anaran’i Jesosy Kristy, Amena.

Misintona Maimaimpoana
Ity fampaherezam-panahy ity dia azo alaina ho sintonina, atao pirinty ary zaraina ho an'ny fampiasana manokana na am-piangonana.
Misintona PDFTeny Miafina: WD-B097-285-MLG









