Manampy Fahazotoana Tena Manokana

Derek Prince
Published: 2008
Last Updated: November 2026
Read Time: 2
Miara-miasa ny fitahian’ny Tompo sy ny fahazotoan’ny tena manokana mba hamokatra harena maharitra. Ity fandinihana ity dia mifototra amin’ny bokin’ny Ohabolana mba hanehoana ny antony tsy maintsy ampiarahana ny fitahian’Andriamanitra amin’ny ezaka amim-pahatokiana, fa tsy amin’ny fahalainana.
Andininy roa mahafinaritra ao amin'ny Ohabolana no fahazavana nitarika ahy hatry ny ela. Izy ireo miaraka, no mamintina ny fepetra hoan’ny tena harena, na ny harena maharitra. Fepetra iray, ny Tompo no manatona; ny iray hafa kosa, isika no manatona. Tsy maintsy nofenoina ireo fepetra roa ireo mba hahazoantsika ny vokatra. Ilay fepetra hoe ny Tompo no manatona dia voalaza ao amin’ny Ohabolana 10:22:
"Ny fitahian'i Jehovah no mampanan-karena, ary tsy azon'ny fisasarana ampiana izany."
Ny fepetra lehibe, sy fepetra voalohany ho an'ny tena harena — ara-panahy na hafa — dia ny fitahian'ny Tompo. Tsy afaka miantehitra amin’ny zavatra tena tsara isika ankoatra ny fitahian’ny Tompo. Etsy an-danin’izany, ny fitahian’i Jehovah irery ihany, dia tsy ampy. Izao no vakintsika, ao amin’ny Ohabolana 10:4:
"Ho tonga malahelo ny miraviravy tànana amin'ny asany; Fa mampanan-karena ny tànan'ny mazoto."
Ilaina ny fitahian'i Jehovah miampy ny fahazotoantsika manokana mba hahazoana ny tena harena. Tsy ampy ny miandry fotsiny ny fitahian’i Jehovah, na ny mandray ny fitahian’i Jehovah. Tsy hahatanteraka ny tanjona eo amin’ny fiainanao izany raha tsy ampianao amin’izany ny fahazotoanao manokana. Tsarovy, fa ny fahazotoana dia mifanohitra amin’ny hakamoana.
Andininy iray noporofoiko fa marina eo amin'ny zavatra niainako manokana nandritra ny am-polony taona maro izany fiainana Kristiana izany. Efa tao anatin’ny toe-java-misy maro samihafa aho, tamin’ny endrika fanompoana maro samihafa, ary teo amin’ny tany sy kaontinanta maro samihafa, ary heveriko fa afaka milaza izany aho fa, noho ny fahasoavan’Andriamanitra, dia naneho fahazotona foana tamin’ny zavatra kely sy lehibe aho. Tao anatin’ny toe-javatra rehetra izay nandraisako anjara, dia navelako tao anatin’ny fepetra tsara kokoa izany — ara-panahy, ara-bola, ary tamin’ny fomba miharihary rehetra — mihoatra ny toe-java-nisy azy tamin’ny fotoana nahitako izany. Ny fitahian'i Jehovah no mampanan-karena; fa ny tanan'ny mazoto koa no mampanan-karena. Miaraka ampifanampiana ireo roa ireo dia hanana harena ara-panahy marina ianao.
Prayer Response
Misaotra Anao Tompo ô, noho ny amin’ny teny fampanantenana hidirana amin’ny Fitsaharanao. Manambara aho fa “ny fitahian’i Jehovah no mampanan-karena,” ary “ mampanan-karena ny tànan’ny mazoto.” hazoto aho, amin’ny anaran’i Jesosy Kristy, Amena.

Misintona Maimaimpoana
Ity fampaherezam-panahy ity dia azo alaina ho sintonina, atao pirinty ary zaraina ho an'ny fampiasana manokana na am-piangonana.
Misintona PDFTeny Miafina: WD-B097-291-MLG









