Fikolokoloana ny Fahazotoana

Derek Prince
Published: 2008
Last Updated: November 2026
Read Time: 2
Tsy tongatonga ho azy ny fitomboana amin'ny finoana; mitaky ezaka mafy mitovy amin'ny ataon'ny tantsaha amin'ny sahany izany. Fantaro hoe ahoana no ahafahan'ny fandalinana ny Tenin'Andriamanitra sy ny fanokanana fotoana hivavahana hitondra vokatra ara-panahy tondraka eo amin'ny fiainanao.
Voa tsy maintsy ambolena ny fahazotoana. Ireto misy torolalana fohy momba ny fomba tokony hambolena azy.
Ao amin’ny 2 Timoty 2:6, dia hoy i Paoly:
"Ny mpiasa tany izay misasatra no tokony ho voalohany handray ny vokatra, voa."
Eto, Paoly dia mitondra zava-misy tsotra, sy fototra: mitaky asa mafy ny fambolena. Tsy vita raha tsy misy ezaka. Izany zava-misy izany dia marina ihany koa amin’ny vokatry ny Fanahy — mitaky asa mafy ny fambolena izany. Te-hanolotra fomba roa izay ahafahantsika mamboly voa ara-panahy eo amin’ny fiainantsika aho.
Voalohany, mila mianatra ny Tenin’Andriamanitra isika, satria io no fototry ny famatsian’Andriamanitra rehetra ho antsika. Raha tsy zatra ny Teniny isika, dia tsy azo ihodivirana ny hanadino ny maro amin’ireo Famatsiany. Nanoratra ho an’i Timoty indray, i Paoly hoe:
"Mazotoa manolotra ny tenanao amin'Andriamanitra ho olona voazaha toetra, dia mpiasa tsy mahazo henatra, mizara tsara ny teny fahamarinana. (2 Timoty 2:15)
Mba hizarana, na ihazonana, ny tenin'ny fahamarinana — Soratra Masina, Tenin'Andriamanitra — araka ny marina, dia tsy maintsy miasa isika. Amin'ny lafiny iray, tsy maintsy mitombo hery isika ary manomboka miasa.
Ny lalana faharoa tsy maintsy arahintsika dia ny mandany fotoana amin'ny vavaka. Amin’ny alalan’ny vavaka, tsy miresaka amin’Andriamanitra fotsiny no tiako holazaina, fa mihaino — zavatra iray manan-danja, raha tsy izany, mihoatra noho ny miresaka Aminy. Eto, indray, i Jesosy dia nanome antsika ny modely tonga lafatra. Ny fototra manontolo ny fanompoan’i Jesosy teto an-tany dia ny Fifandraisany amin’ny Rainy. Mba hambolena sy hihazonana an’io fifandraisana io, dia nanokana fotoana be tamin’ny vavaka i Jesosy. Matetika, vao maraina be. Teo no Nandrenesany ny feon’ny Ray sy nahazoany lalana ho an’ny asa Fanompoany.
Prayer Response
Misaotra Anao, Tompo ô, noho ny amin’ny teny fampanantenana hidirana amin’ny Fitsaharanao. Manambara aho fa hamboly fahazotoana eo amin’ny fiainako amin’ny fianarana ny Tenin’Andriamanitra sy ny fanokanana fotoana mivavaka. Hazoto aho, amin’ny anaran’i Jesosy Kristy, Amena.

Misintona Maimaimpoana
Ity fampaherezam-panahy ity dia azo alaina ho sintonina, atao pirinty ary zaraina ho an'ny fampiasana manokana na am-piangonana.
Misintona PDFTeny Miafina: WD-B097-293-MLG









