Ny Teny Lazaintsika

Derek Prince
Published: 2008
Last Updated: November 2026
Read Time: 2
Ny teny tononinao dia toy ny familiana sambo, izay mitondra ny fizotry ny fiainanao manontolo mankany amin’ny fitodiana azo antoka na mankany amin’ny fahavakisana. Ny fampifanarahana ny fanambaranao amin’ny Tenin’Andriamanitra no fanalahidy tsy azo ialana ho an’ny famonjena sy ny fandresenao.
Teny iray hafa ilazana ny fiekena dia fijoroana ho vavolombelona. Izao no vakintsika ao amin’ny bokin’ny Apokalypsy:
"Ary izy ireo naharesy azy noho ny amin'ny ran'ny Zanak'ondry sy ny teny filazana Azy" (Apokalypsy 12:11)
Fantantsika fa mandresy an'i Satana isika rehefa mijoro ho vavolombelona manokana ny amin'izay lazain'ny Tenin'Andriamanitra ny ataon'ny ran'i Jesosy ho antsika. Ny fijoroana ho vavolombelona dia tena zavatra tsotra — milaza teny mifanaraka amin’ny Soratra Masina fotsiny. Mamonjy antsika ny fijoroana ho vavolombelona; fiarovana antsika izany. Tsy afaka manantitrantitra loatra ny maha zava-dehibe azy aho.
Ny mpanoratra ny Hebreo dia niantso an’i Jesosy ho “Mpisoronabe izay nekentsika” (Hebreo 3:1). Ny fiaikena dia midika ara-bakiteny hoe “milaza toy ny”. Ho antsika, mpino ny Baiboly sy ao amin’i Jesosy Kristy, ny fiekena dia midika hoe milaza amin’ny vavantsika ny mitovy amin’ny lazain’Andriamanitra ao amin’ny Teniny. Ataontsika hifanaraka amin’ny Tenin’Andriamanitra ny teny aloaky ny vavantsika. Afaka misolo vava antsika i Jesosy rehefa manao an’ilay fiekena marina isika. Na antsointsika hoe “fijoroana ho vavolombelona” na “fiekena,”dia tena ilaina izany mba hahazoana ny famonjen’Andriamanitra.
Hoy Jesosy:
"Fa ny teninao no hanamarinana anao, ary ny teninao no hanamelohana anao" (Matio 12:37)
Ny teny lazaintsika no hametrahantsika ny anjarantsika. Nilaza i Jakoba fa ny lela dia toy ny familiana eo amin’ny sambo; na dia ampahany kely amin’ilay sambo aza izy io, dia mamaritra tsara ny toerana halehan’ny sambo (jereo ny Jakoba 3:4). Ny fomba ampiasantsika ny lelantsika no mamaritra ny làlan'ny fiainantsika. Afaka milaza ny marina isika sy mampifanaraka ny teny aloaky ny vavantsika amin’ny Tenin’Andriamanitra, na afaka miteny zavatra diso ka mahatonga ny fiainantsika hivadika mazava hoazy. Na ho tonga soa aman-tsara any amin’ny seranana isika na ho vaky sambo araka ny fomba ampiasana ny lelantsika.
Prayer Response
Misaotra Anao, Jesosy ô, fa Ianao no Mpisoronabe izay nekenay. Manambara aho fa naharesy ny fahavalo tamin’ny ran’ny zanak’Ondry sy ny teny fijoroako ho vavolombelona aho. Hihazona mafy ny fiekeko aho, amin’ny anaran’i Jesosy Kristy, Amena.

Misintona Maimaimpoana
Ity fampaherezam-panahy ity dia azo alaina ho sintonina, atao pirinty ary zaraina ho an'ny fampiasana manokana na am-piangonana.
Misintona PDFTeny Miafina: WD-B097-297-MLG









