Ny Fo sy ny Vava

Derek Prince
Published: 2008
Last Updated: November 2026
Read Time: 2
Maro no mihevitra fa ny finoana ao am-po ihany no ilaina, nefa ny Tenin'Andriamanitra dia manambara dingana lehibe iray hafa ho an'ny famonjena. Ianaro ny fomba maha-asa mahery vaika ny fanekena amin'ny vava fa i Jesosy no Tompo, izay mampiditra anao ao amin'ny fampanantenany mandrakizay.
Ao amin'ny Romana toko fahafolo, Paoly dia nanazava mazava tsara tahakan’ ny na aiza na aiza ao amin'ny Testamenta Vaovao ny takiana amin'ny famonjena. Natombony:
“‘Eo akaikinao ny teny, dia eo am-bavanao sy ao am-ponao’ (dia ny teny ny amin’ny finoana, izay torinay): satria raha manaiky an’i Jesosy ho Tompo amin’ny vavanao hianao ary mino amin’ny fonao fa Andriamanitra efa nanangana Azy tamin’ny maty, dia hovonjena hianao.” (Romana 10:8–9)
Ny fototry ny famonjena dia ny Teny, ary tsy maintsy ampifanarahana amin'ny finoana. Avy eo, misy zavatra roa tsy maintsy ataontsika — ny iray amin’ny fo, ny iray amin’ny vava. Tsy maintsy mino amin’ny fo isika, fa tsy maintsy mibaboka, na milaza izany, amin’ny vava. Nanohy ny tenin’i Paoly:
"Fa amin'ny fo no inoana hahazoana fahamarinana, ary amin'ny vava no anekena hahazoana famonjena." (Romana 10:10)
Hitanao? Tsy misy fiekena, tsy misy famonjena. Tsara ny mino ao am-po, fa ny finoana irery ihany dia tsy ampy. Tsy tokony hino ao am-pontsika ihany isika, fa tsy maintsy milaza izany amim-pahasahiana amin’ny vavantsika koa, mba atao mifanaraka amin’ny Tenin’Andriamanitra ny teny aloaky ny vavantsika. Ny fiekena voalohany ataontsika dia mifandray amin’i Jesosy amin’ny maha-Mpisoronabe Azy, fa ny fandehanan’ny asa Fanompoany amin’ny maha-Mpisoronabe Azy dia miankina amin’ny fandehanan’ny fiekentsika.

Misintona Maimaimpoana
Ity fampaherezam-panahy ity dia azo alaina ho sintonina, atao pirinty ary zaraina ho an'ny fampiasana manokana na am-piangonana.
Misintona PDFTeny Miafina: WD-B097-299-MLG









