Fanasana avy amin’Andriamanitra

Derek Prince
Published: 2008
Last Updated: November 2026
Read Time: 2
Manasa ny zanany Andriamanitra mba hanatona ny seza fiandrianan’ny fahasoavany amim-pahatokiana feno fahasahiana, tsy toy ny mpangataka fa toy ny zanaka lahy sy vavy malala. Ianaro ireo dingana lehibe amin’ny fanajana sy ny fahazotoana izay ahafahanao mitoky tanteraka amin’ny Tenin’Andriamanitra sy mandray ny famindram-po nampanantenainy.
Ity no fanambarana faha efatra hoe “Andao isika” ao amin’ny Hebreo. Mino aho fa ny dingana faha efatra dia mifandray mivantana amin'ny dingana faha telo voalohany, ary ny filaharana dia manan-danja. Mba hahafahana manatona amim-pahatokiana ny seza fiandrianan’ny fahasoavana, dia mila mahazo antoka isika fa efa nanao ny dingana telo voalohany.
Ny dingana voalohany dia ny tahotra: “Aoka isika hatahotra” (Hebreo 4:1). Ny tahotra dia midika fa tonga miaraka amin’ny toe-tsaina feno fanajana sy fahatsapana ny filàntsika ny fahasoavan’Andriamanitra.
Faharoa, “Aoka isika… hazoto” (Hebreo 4:11). Izao no valintenintsika amin’ny fahasoavan’Andriamanitra: tsy malaina, tsy kamo, tsy hoe tsy miraharaha, na miavonavona isika. Ny fahasoavan’Andriamanitra dia tsy manamarina ny tsy firaharahantsika na ny fiavonavonantsika; fa, mandrisika antsika hazoto.
Ny dingana faha telo dia ny hoe: “Aoka isika hihazona ilay efa nekentsika” (Hebreo 4:14). Tsy maintsy manana ny fiekena marina isika; tsy maintsy milaza amin’ny vavantsika ny marina momba an’i Jesosy sy izay Nataony ho antsika.
Ny amin'ny fanatonana ny seza fiandrianan'ny fahasoavana dia zavatra roa no nolazaina ho tokony ahatongavantsika: ny famindram-po sy ny fahasoavana. Ny faharesen-dahatrako dia raha manasa antsika ho avy Andriamanitra, ary raha mahafeno ny fepetra izay nosoritako isika, dia ny famindram-po sy ny fahasoavana no miandry antsika. Tsy ho diso fanantenana mihitsy isika. Andriamanitra dia tsy hanome fanasana izay tsy Hijanonany sy Hotanterahiny. Raha tonga tahaka ny zanak’Andriamanitra isika, dia tsy tonga tahaka ny mpangataka. Tsy manana zanaka kilasy faharoa Andriamanitra. Tsy mitàna antsika lavidavitra mihitsy Izy raha mahafeno ny fepetra hanatonana isika. Tena zava-dehibe ny fahatongavantsika amim-pahatokiana. Izany no finoana miasa. Ny finoana no tsy ho lavina. Ny finoana no mandray an’Andriamanitra amin’ny Teniny sy mino fa tsara tahaka ny Teniny Andriamanitra. Finoana ny fahatokiana an’Andriamanitra izany. Toy izany no tokony hanatonantsika ny seza fiandrianana — amim-pahatokiana.
Prayer Response
Misaotra Anao, Tompo ô, fa afaka tonga manatona Anao amim-pahasahiana aho. Manambara aho satria Andriamanitra manasa ahy ho eo amin’ny seza Fiandrianany, ary satria mahafeno ny fepetra takiana aho, dia tonga miaraka amin’ny fahatokiana fa miandry ahy ny famindram-po sy ny fahasoavana. Hanatona ny seza fiandrianan'ny fahasoavana aho, amin’ny anaran’i Jesosy Kristy, Amena.

Misintona Maimaimpoana
Ity fampaherezam-panahy ity dia azo alaina ho sintonina, atao pirinty ary zaraina ho an'ny fampiasana manokana na am-piangonana.
Misintona PDFTeny Miafina: WD-B097-302-MLG









