Manary ny Fanamelohana

Derek Prince
Published: 2008
Last Updated: November 2026
Read Time: 2
Matetika i Satana no mampiasa ny fanamelohana mba hahatsapantsika ho tsy mendrika ny hanatona an'Andriamanitra amin'ny vavaka. Amin'ny alalan'ny herin'ny fiaikena sy ny finoana ny famelan-kelok'Andriamanitra, dia azonao atao ny mampampangina ilay mpiampanga ary mivavaka amim-pahatokiana feno fa mihaino anao ny Tompo.
Zava-dehibe ny fanatonana an'Andriamanitra tsy misy fanamelohana; raha lazaina amin’ny teny hafa, amin’ny fahasahiana, satria, “Raha nankasitraka ota tao am-poko aho, dia tsy mba hihaino ny Tompo.” (Salamo 66:18).
Raha " nankasitraka ota tao am-poko aho", dia midika izany fa manatona an'Andriamanitra miaraka amin'ny fahatsiarovan-tena ao am-poko ny amin'ny zavatra manameloka ahy aho. Isaky ny miezaka manatona an’Andriamanitra amim-pinoana aho, dia mampahatsiahy ahy ny zavatra tsy marina sy tsy mbola namboarina i Satana—mety ho fahotana izay tsy nibabohana, na, raha efa niaiky izany, dia mbola mitaredretra ihany satria tsy nitaky ary nandray famelan’Andriamanitra. Mahatsapa izany zavatra izany ato am-poko amin’ny fotoana rehetra aho. Ary raha tonga miaraka amin’ny fanamelohana aho, dia tsy mahazo izay nivavahako aho.
Tsy maintsy esoriko ao am-poko ny fahatsiarovan-tena ny amin'ny fahotana. Amin’ny ankapobeny, dia finoana no hanaovana izany.“Raha miaiky ny fahotantsika isika,” hoy ny Soratra Masina:
“Dia mahatoky sy marina Izy ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin’ny tsy fahamarinana rehetra.” (1 Jaona 1:9)
Tsy afaka manao na inona na inona momba ny olan'ny fahotana isika afa-tsy ny miaiky, mibebaka, ary matoky an'Andriamanitra amin'ny famelan-keloka sy ny fanadiovana izay Nampanantenainy antsika. Aorian’izany, dia tsy tokony hanahy ny momba ny fahotantsika intsony isika, satria raha mahatsiaro ny ota foana isika rehefa mivavaka, dia tsy hihaino ny vavakantsika Andriamanitra. Araka ny voalazan’ny Soratra Masina hoe: “ Raha nankasitraka ota ato am-poko aho, dia tsy mba hihaino ny Tompo.”
Na izany aza dia nanohy ny teniny ny mpanao salamo hoe, “Kanefa efa nihaino tokoa Andriamanitra.” (Salamo 66:19). Raha lazaina amin’ny teny hafa, dia niakatra ambonin’ny fikasan’i Satana hanameloka azy ny mpanao salamo ka nilaza hoe: “Nihaino ahy Andriamanitra”. Nahoana no mihaino antsika Andriamanitra? Satria tonga amin’ny anaran’i Jesosy isika. Satria tonga miaraka amin'ny fiderana sy fisaorana isika. Noho izany, tsy voaheloka isika.
Prayer Response
Misaotra Anao, Tompo ô, fa afaka manatona Anao amim-pahasahiana aho. Manambara aho fa manilika ny fikasan’i Satana hanameloka ahy aho, amin’ny filazana fa “nihaino ahy Andriamanitra”, satria avy amin’ny anaran’i Jesosy aho. Hanatona ny seza fiandrianan'ny fahasoavana aho, amin’ny anaran’i Jesosy Kristy, Amena.

Misintona Maimaimpoana
Ity fampaherezam-panahy ity dia azo alaina ho sintonina, atao pirinty ary zaraina ho an'ny fampiasana manokana na am-piangonana.
Misintona PDFTeny Miafina: WD-B097-303-MLG









