Manaisotra ny Sakana Rehetra

Derek Prince
Published: 2008
Last Updated: November 2026
Read Time: 2
Ny fahatsapana ho meloka sy ny fanamelohana dia tsy tokony hanakana anao na oviana na oviana tsy hanatona ny fanatrehan'Andriamanitra. Lehibe noho ny fonao Izy, ary manasa anao hanatona ny seza fiandrianan'ny fahasoavany amim-pahasahiana mba hahazo famelan-keloka feno sy famindram-po.
Hoy ny Baiboly:
"Na amin’inona na amin’inona no anamelohan’ny fontsika antsika, satria Andriamanitra lehibe noho ny fontsika ka mahalala ny zavatra rehetra." (1 Jaona 3:20)
Tsy mila manafina na inona na inona amin'Andriamanitra isika. Tsy maintsy misokatra sy marin-toetra Aminy isika — miaiky amin-kitsim-po ny fandikan-dalàna rehetra, ny eritreritry ny fahotana, ary ny lesoka rehetra. Fa rehefa vita ny fiekena rehetra, dia mila manaiky ny famelan-keloka tanteraka sy ny fanadiovana tanteraka isika, satria fantatsika fa tsy hotsaroan’Andriamanitra na oviana na oviana ny fahotantsika na hihazona izany hanohitra antsika. Dia, afaka manatona Azy tsy misy fanamelohana isika.
Niresaka momba ny vavaka i Paoly ao amin’ny 1 Timoty 2:8:
"Koa tiako ny lehilahy hivavaka eny tontolo eny manandra-tànana masina, tsy amin'ny fahatezerana na amin'ny fifandirana."
Tsy maintsy esorina ny fihetseham-po sy ny toe-tsaina maizimaizina izay manakantsakana ny fanatonana an'Andriamanitra. Tsy maintsy manala ny fahatezerana sy ny fisalasalana isika. Milaza ny Baiboly fa raha misalasala isika, dia voaheloka isika (jereo ny Romana 14:23). Hitanao, tsy afaka ny ho tonga miaraka amin’ny fanamelohana eo anatrehan’Andriamanitra isika. Hoy ny Baiboly:
"Fa Izay miahanahana dia toy ny alon-dranomasina entin'ny rivotra ka atopatopany. Fa aoka tsy hanampo handray zavatra amin'ny Tompo izany olona izany: olona miroa saina izy, miovaova amin'ny alehany rehetra.” (Jakoba 1:6–8)
Tsy maintsy manilika ny fanontaniana rehetra momba ny fahamelohana isika, miaraka amin'ny toe-tsaina ratsy na tsy mety rehetra momba ny tenantsika sy ny olon-kafa. Tsy maintsy manatona amim-pahasahiana isika. Hoy ny Hebreo 4:16: “Koa aoka isika hanatona ny seza fiandrianan’ny fahasoavana amin’ny fahasahiana, mba hahazoantsika famindram-po sy hahitantsika fahasoavana ho famonjena amin’izay andro mahory.” Tsarovy fa, ny seza fiandrianan’ny fahasoavana no hatonintsika, ary ny fahasoavana dia mipetraka eo amin’ny seza fiandrianan’Andriamanitra. Tsy rariny ny fanatonana an’Andriamanitra; fa, fahasoavana izany.
Prayer Response
Misaotra Anao, Tompo ô, fa afaka manatona Anao amim-pahasahiana aho. Manambara aho fa manala ny fanamelohana ny tenako sy ny sakana hafa rehetra mba hanatona amin'ny fahasahiana eo amin'ny seza fiandrianan'ny fahasoavana. Hanatona ny seza fiandrianan'ny fahasoavana aho, amin’ny anaran’i Jesosy Kristy, Amena.

Misintona Maimaimpoana
Ity fampaherezam-panahy ity dia azo alaina ho sintonina, atao pirinty ary zaraina ho an'ny fampiasana manokana na am-piangonana.
Misintona PDFTeny Miafina: WD-B097-304-MLG









