Mandinika ny Antony Manosika Antsika

Derek Prince
Published: 2008
Last Updated: November 2026
Read Time: 2
Milaza ny Baiboly fa matetika isika no tsy manana satria tsy mangataka, saingy mampitandrina koa izy fa ny fangatahana amin'ny antony manosika tsy mety dia mahatonga ny vavaka tsy hovaliana. Fantaro ilay antony manosika madio tokana izay ankasitrahan'Andriamanitra: ny faniriana mba hovaliana ny vavaka ataonao mba hahazoan'ny Ray voninahitra amin'ny alalan'i Jesosy Kristy Zanany.
Manatona ny seza fiandrianan'ny fahasoavana isika mba hangataka amin'Andriamanitra ny amin'ny zavatra ilaina manokana. Andeha hojerentsika ny fepetra lehibe iray — ny antony manosika antsika. Andriamanitra mitady ny antony rehetra; Tena Fantany ny antony hivavahantsika. Hoy ny Jakoba 4:2:
"Tsy manana hianao satria tsy mangataka."
Ny antony lehibe tsy ananan'ny Kristiana dia ny tsy fahampian'ny fangatahana tsotra. Hoy anefa, i Jakoba ao amin’ny andininy andininy 3:
"Mangataka hianareo, nefa tsy mahazo, satria diso fangataka, mba holaninareo amin'ny filanareo."
Raha lazaina amin'ny teny hafa, ny vavaka mifantoka amin’ny tena dia mampiseho fa diso ny antony manosika antsika. Kendrentsika fotsiny ny hahazo fampiononana, fahafaham-po manokana, na fahafinaretana
Inona no antony manosika tokony ho izy? Efa nilaza izany i Jesosy:
"Mba hankalazana ny Ray eo amin'ny Zanaka. Raha mangataka zavatra amiko amin'ny anarako hianareo, dia hataoko izany.”
(Jaona 14:13–14)
Izany no antony ao ambadiky ny vavaka izay valian'Andriamanitra. Ny vavaka dia tsy maintsy atao amin-kitsim-po mba hahazoan’Andriamanitra, voninahitra amin’ny alalan’i Jesosy Kristy, amin’ny famaliana izany vavaka izany. Araka ny nohazavain’i Paoly ao amin’ny 2 Korintiana 1:20:
"Fa na firy na firy ny teny fikasan’Andriamanitra, dia ao aminy ny eny [Jesosy Kristy], ary amin’ny alalany koa ny Amena, ho voninahitr’Andriamanitra amin’ny ataonay."
Ny tanjon'ny fanatonana an'Andriamanitra sy ny fitakiana ny teny Fikasany dia ny mba hankalazana an'Andriamanitra amin'ny alalantsika amin'ny famaliana izany. Rehefa mitaky bebe kokoa ny fampanantenan’Andriamanitra isika, dia vao mainka manome voninahitra Azy. Arakaraka ny tsy ahavitantsika mitaky ny fampanantenan’Andriamanitra, anefa, no tsy hanomezantsika voninahitra Azy. Ny olona manome voninahitra an’Andriamanitra indrindra dia ny olona mitaky ny teny fikasan’Andriamanitra ao amin’i Kristy indrindra.
Ny antony ankasitrahan'Andriamanitra dia izay mitady valim-bavaka mba hankalazana Azy. Ireo vavaka ireo dia tsy maintsy atao amin’ny anaran’i Jesosy Kristy Zanany.
Prayer Response
Misaotra Anao, Tompo ô, fa afaka manatona Anao amim-pahasahiana aho. Manambara aho fa ny anton’ny vavaka ataoko dia ny hanomezam-boninahitra an’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesosy Kristy amin’ny famaliana ny vavaka ataoko. Hanatona ny seza fiandrianan'ny fahasoavana aho, amin’ny anaran’i Jesosy Kristy, Amena.

Misintona Maimaimpoana
Ity fampaherezam-panahy ity dia azo alaina ho sintonina, atao pirinty ary zaraina ho an'ny fampiasana manokana na am-piangonana.
Misintona PDFTeny Miafina: WD-B097-306-MLG









