Mandroso ho amin'ny Fahamatorana

Derek Prince
Published: 2008
Last Updated: November 2026
Read Time: 2
Moa ve ianao mionona amin'ny rononon'ny Teny nefa Andriamanitra miantso anao ho amin'ny sakafo mafin'ny fahamatorana ara-panahy? Ny fandrosoana amin'ny fahamarinana dia mitaky fampiofanana tsy tapaka sy amim-pahazotoana mba hanavahana ny tsara sy ny ratsy.
Ity "Andao isika" manokana ity dia mety tsara amin'ny vahoaka Hebreo ao amin'ny Testamenta Vaovao satria tsy nahavita niaina nifanaraka tamin'izany izy ireo. Natoky ny tombon-tsoa manokana nànanany izy ireo ary nitoetra tao aminy. Lasa kamo, mazava ho azy; noraisiny ho tsinontsinona fotsiny.
“Ny amin’izany dia manana teny maro izahay sady sarotra ambara, satria lalodalovana ny sofinareo. Fa na dia tokony ho efa mpampianatra aza hianareo noho ny fahelan’ny andro, dia mbola mila izay hampianatra anareo ny abidim-pianaran’ny tenin’Andriamanitra indray; ary efa toy izay tokony homen-dronono hianareo, fa tsy ventin-kanina. Fa izay rehetra mivelona amin’ny ronono dia tsy zatra amin’ny tenin’ny fahamarinana, satria mbola zaza-bodo. Fa ho an’izay efa lehibe ny ventin-kanina, dia ho an’izay manana ny saina efa zatra nampiasaina tsara ka mahay manavaka ny tsara sy ny ratsy. (Hebreo 5:11–14)
Ny tian'ny mpanoratra holazaina ao — mivantana — dia hoe zaza ara-panahy fotsiny ny Hebreo. Tsy nanan-jo ho zaza izy ireo tamin’izany dingana izany teo amin’ny fandrosoan’ny Kristiana. Nànana fahafahana be dia be izy ireo nandritra ny taona maro, hany ka tokony ho efa matotra izy ireo tamin’izay. Ny mpanoratra ny Hebreo koa dia nanazava ny hany fomba handrosoana ho amin’ny fahamatorana. Tsy maintsy mampiofana ny tenantsika hanavaka ny tsara sy ny ratsy isika. Ny fandrosoana ho amin’ny fahamatorana eo amin’ny làlan’ny fahamarinana dia tonga amin’ny fampiharana amin’ny fanazaran-tena tsy tapaka. Tsy mandeha ho azy izany; mitaky fifehezana izany. Izany no nahatonga ny iray tamin’ireo dingana teo aloha ireo hoe “Andao isika hazoto”. Tsy maintsy mampiofana ny tenantsika hanavaka ny tsara sy ny ratsy isika.
Im-betsaka, na dia ireo fiangonana Kristiana lehibe aza dia tsy afaka manavaka izay ara-panahy sy ara-tsoratra masina amin’izay fanehoana ara-nofo fotsiny miaraka amin’ny tarika aina. Ny hany vahaolana dia ny mampiofana tena amin'ny fampiasana tsy tapaka sy ny fanazaran-tena amim-pitandremana.
Prayer Response
Misaotra Anao, Tompo ô, fa Ianao no nitarika ahy handroso. Manambara aho fa tsy mitoky amin’ny tombon-tsoa manokana na mitoetra amin’izany, fa mampiofana ny tenako mba handroso ho amin’ny fahamatorana. Hiroso amin'ny fahamatorana aho, amin’ny anaran’i Jesosy Kristy, Amena.

Misintona Maimaimpoana
Ity fampaherezam-panahy ity dia azo alaina ho sintonina, atao pirinty ary zaraina ho an'ny fampiasana manokana na am-piangonana.
Misintona PDFTeny Miafina: WD-B097-310-MLG









