Ao amin’ny Efesiana 1:5, i Paoly dia nilaza momba ny mpino rehetra fa Andriamanitra dia “notendreny rahateo isika mba ho Azy amin’ny fananganan’anaka amin’ny alalan’i Jesosy Kristy ho an’ny Tenany”. Nolazainy koa ny fikasan’Andriamanitra ho an’ny zanany ao amin’ny Romana 8:29:

“Satria izay fantany [Andriamanitra] rahateo no notendreny koa hitovy endrika amin’ny Zanany, mba ho Lahimatoa amin’ny rahalahy maro Izy [Jesosy].”

I Jesosy àry no Zanaka modely, Izay tsy maintsy hitovizantsika amin’ny fahatongavantsika ho matotra. Izy Tenany mihitsy no lalana vaovao sy velona izay hizorantsika ho amin’ny fahatanterahana, hidirantsika ao amin’ny masina indrindra, ary hanatonantsika an’Andriamanitra (jereo ny Hebreo 6:1; 10:19–22). Mitovy amin’ny lalana nitondrana an’i Jesosy ho amin’ny fahatanterahana no tokony harahin’ny tsirairay amintsika.

Ny làlana mankany amin'ny fahamatorana dia tsy mora kokoa tamin'i Jesosy noho ny antsika. Izy “Efa nalaim-panahy tamin’ny zavatra rehetra tahaka antsika, kanefa tsy nànana ota.” (Hebreo 4:15). Tao amin’ny maha-olombelona Azy, dia niaina ny karazana fakam-panahy rehetra iainantsika i Jesosy, kanefa tsy nanota mihitsy Izy. Tsy fahotana ny alaim-panahy! Fa tonga kosa ny fahotana rehefa milefitra amin'ny fakam-panahy isika.

Inona no nahafahan'i Jesosy nandresy ny fakam-panahy rehetra, na dia teo aza ny maha-olombelona Azy marina? Ny Fahombiazany dia tao amin’ny fandrisihana tokam-Pony, tsy miova hanao ny sitrapon’ny Ray. Io zava-misy io dia nasehon’i Davida mialoha ara-paminaniana ao amin’ny Salamo 40:7–8:

“Dia hoy Izaho: Ity Aho tonga— Ao amin’ny horonam-boky no nanoratana Ahy— Ny hanao ny sitraponao, Andriamanitra ô, no sitrako.”ʼ

Nandritra ny Fanompoany teto an-tany, dia imbetsaka i Jesosy no nanambara io antony fototra nahatonga ny zavatra rehetra Nataony io. Tsy ho Fantany velively ny fahafaham-po farany mandrapaha-Vitany ny asa rehetra nasain’ny Rainy Nataony. Teo akaikin’ny fantsakan’i Jakoba, dia hoy Izy tamin’ny Mpianany:

"Ny haniko [izay manohana sy mampahery Ahy] dia ny manao ny sitrapon' Izay naniraka Ahy sy ny mahavita ny asany" (Jaona 4:34)

Jereo koa ny Jaona 5:30; 6:38.